Hijery ny anatiny

16 OKTOBRA 2017
ARMENIA

Miaro An’ireo Olona Mandà Tsy Hanao Raharaha Miaramila any Armenia ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Miaro An’ireo Olona Mandà Tsy Hanao Raharaha Miaramila any Armenia ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Nisy Vavolombelon’i Jehovah efatra voaheloka higadra tany Armenia. Tsy nanaiky hanao fanompoana sivily mantsy ry zareo satria miaramila no nanara-maso sy niandraikitra an’ilay fanompoana. Namoaka didy àry ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 12 Oktobra 2017, fa tsy rariny ilay fanamelohana. Nilaza ny CEDH fa diso i Armenia satria misy ifandraisany amin’ny miaramila, fa tsy tena sivily ilay fanompoana nampanaovin’izy ireo azy.

Ireto avy izy efa-dahy voakasik’ilay raharaha Adyan sy ny Hafa Miady Amin’i Armenia: Artur Adyan, Vahagn Margaryan, Harutyun Khachatryan ary Garegin Avetisyan. Nivoaka tamin’ny 2011 ilay didy nanameloka azy tsirairay higadra roa taona sy tapany. Nilaza ny CEDH fa tsy nanaja ny zon’ireo tovolahy hanana ny fivavahany sy hanaraka ny feon’ny fieritreretany, ny fitoriana sy fanamelohana azy ireo, araka ny Andininy Faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (Fifanarahana). Voasazy handoa onitra 12 000 euros (Ar 45000000 eo ho eo) tamin’izy efa-dahy i Armenia, noho ny fampahoriana sy ny fijaliana nihatra tamin’izy ireo.

Nambara fa meloka izy efa-dahy, taoriana kelin’ny nilazan’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny CEDH ny heviny momba an’ilay raharaha Bayatyan Miady Amin’i Armenia (2011). Nilaza io Filan-kevitra io tamin’izay fa miaro ny zon’ireo olona tsy mety hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ilay Fifanarahana. a Nandidy an’i Armenia àry izy io hoe fanompoana sivily no tokony hampanaoviny an’ireo olona ireo, ho solon’ny raharaha miaramila. Tsy nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena anefa ny fanompoana sivily nisy tany tamin’izany, satria miaramila no nanara-maso sy niandraikitra an’ilay izy. Tsy nanaiky hanao an’izany àry izy efa-dahy dia nogadraina. Nisy mpiara-mivavaka taminy maro hafa koa naiditra am-ponja. Nandidy an’i Armenia ny CEDH tamin’ilay raharaha Adyan hoe ‘fanompoana tena sivily no tokony hampanaoviny an’ireo olona tsy mety hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tokony ho azon’izy ireo atao tsara ilay fanompoana, fa tsy hoe famaizana azy ireo.’

Nafahana izy efa-dahy, tamin’ny faramparan’ny taona 2013. Nandamina fanompoana tena sivily ho solon’ny raharaha miaramila i Armenia taorian’izay. Tsy miaramila intsony no manara-maso sy miandraikitra an’ilay izy. Tsy gadraina intsony àry izao ny Vavolombelon’i Jehovah any Armenia rehefa mandà tsy hanao miaramila, noho ny feon’ny fieritreretany nozariny hanaraka izay voalazan’ny Baiboly. Tena faly be izy ireo hoe afaka manao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila.

a Bayatyan Miady Amin’i Armenia [GC], no. 23459/03, CEDH 2011