Hijery ny anatiny

5 NOVAMBRA 2013
ARMENIA

Avelan’i Armenia Manao Fanompoana Sivily Ireo Tsy Mety Manao Miaramila

Avelan’i Armenia Manao Fanompoana Sivily Ireo Tsy Mety Manao Miaramila

Toa nohajain’ny fitondrana any Armenia ihany, nony farany, ny zon’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tamin’ny 23 Oktobra 2013 mantsy ny Vaomiera Momba ny Fanompoana Sivily any Armenia no nanaiky ny fangatahana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny 57 tamin’ireo 90 mahery nanao fangatahana hanao an’ilay fanompoana sivily vaovao no efa nahazo alalana hanao izany (mbola hodinihiny ny fangatahana hafa). Anisan’izany ny 6 tamin’ireo Vavolombelona 20 nigadra tao amin’ny Fonjan’i Erebuni. Nafahana izy ireo tamin’ny 24 Oktobra 2013. Hodinihin’ilay vaomiera koa ny fangatahana hanao fanompoana sivily, izay nalefan’ireo Vavolombelona mbola any am-ponja. Manantena isika fa hafahana izy ireo.

Fandaharana vaovao

Nanitsy ny lalàny mahakasika ny fanompoana sivily i Armenia, tamin’ny 8 Jona 2013, mba hifanaraka amin’ny fenitra arahin’i Eoropa. Namoaka lalàna ho fampiharana an’izany izy, tamin’ny 25 Jolay 2013. Niresaka momba an’io lalàna vaovao io ny filoham-pirenen’i Armenia rehefa nikabary teo anatrehan’ny Antenimieran’ny Filan-kevitra Eoropeanina, tamin’ny 2 Oktobra 2013. Hoy izy: “Tsy henjehin’ny lalàna toy ny mpanao heloka bevava intsony ireo tsy te hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.” Namoaka lalàna momba ny famotsoran-keloka i Armenia, tamin’ny 3 Oktobra 2013, ka nanesorana enim-bolana ny sazin’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Noho io lalàna io, dia nafahana ny Vavolombelona valo, tamin’ny 8 sy 9 Oktobra 2013, satria tsy ampy enim-bolana intsony ny sazy tokony hefainy tany am-ponja.

Afaka manao ny adidiny eo amin’ny fireneny izao ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, noho ilay fandaharana vaovao momba ny fanompoana sivily. Mba eken’ny eritreriny koa ilay zavatra asaina ataony. Tsy ny miaramila intsony mantsy izao no miandraikitra an’ilay izy fa sivily. Maharitra telo taona ilay izy, adiny 48 isan-kerinandro no miasa, ary mahazo 10 andro tsy iasana isan-taona. Omena asa eny akaikin’ny tanànany ireo manao fanompoana sivily, ary tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha miaramila izany.

Ahoana no nahatonga an’ilay fanitsiana?

Lasa mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina i Armenia, tamin’ny 2001. Nekeny, tamin’izay, fa hamoaka lalàna momba ny fanompoana sivily izy, ary hanafaka an’ireo nogadraina satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Mbola nanenjika sy nanagadra an’ireo tovolahy Vavolombelon’i Jehovah ihany anefa i Armenia.

Tao anatin’ireo 20 taona lasa, dia Vavolombelon’i Jehovah 450 mahery no nigadra ela be, ary nijaly be ny ankamaroan’izy ireny tany.

Velom-bolo ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, rehefa namoaka lalàna momba ny fanompoana sivily ny Repoblikan’i Armenia, tamin’ny 1 Jolay 2004. Rehefa nampiharina anefa ilay lalàna, dia hita fa ny miaramila no niandraikitra an’ilay fanompoana sivily sady natao hanasaziana ilay izy. Imbetsaka ny Filan-kevitra Eoropeanina no nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny fenitra arahin’i Eoropa io fanompoana sivily io. Toy izao no voalazan’ny Fanapahan-kevitra faha-1532 (2007), nataon’ny Antenimieran’ny Filan-kevitra Eoropeanina: “Mampanahy ny mahita fa maro amin’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany no mbola migadra, ary Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’izy ireo. Aleon’izy ireo mantsy migadra toy izay hanao fanompoana sivily, satria tsy tena sivily akory ilay izy.”

Nilaza koa ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona fa manahy izy ireo, satria mbola managadra an’ireo Vavolombelona tsy mety manao miaramila ihany i Armenia. Hoy ilay komity, tamin’ny famaranana ny fivoriana faha-105 nataony (2012):

“Tokony hanisy fanompoana tena sivily tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha miaramila ireo firenena anisan’ny Firenena Mikambana. Tokony ho zavatra eken’ny sain’ireo rehetra tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ilay izy. Tsy tokony hatao toy ny sazy ilay izy, na hisy fanavakavahana. Tokony hafahana koa ireo nogadraina satria tsy mety manao miaramila, na tsy mety manao an’ilay fanompoana sivily misy amin’izao.”

Nanome rariny ho an’ny Vavolombelona ny Fitsarana Eoropeanina

Tsy nahazo rariny tany amin’ireo fitsarana tany Armenia i Vahan Bayatyan sy ny tovolahy Vavolombelona roa hafa, ka nitory an’i Armenia tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Nanova zavatra be ilay raharaha momba an’i Bayatyan, satria nanome rariny azy ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’ny 7 Jolay 2011. Nolazainy, tamin’ny didy navoakany, fa manohana an’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Sambany ny Fitsarana Eoropeanina no namoaka didy toy izany. Namoaka didy efatra hafa manohana ny zon’ireo tsy mety manao miaramila noho ny fieritreretany koa ny Fitsarana Eoropeanina, taorian’io didy navoakan’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra io. a

Namoaka didy manohana ny zon’ny olona tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny Fitsarana Eoropeanina, taorian’ny fitoriana nampidirin’i Hayk Bukharatyan sy Ashot Tsaturyan.

Tsy noraharahain’ny fitondrana any Armenia ilay didy navoakan’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra, tamin’ilay raharaha Bayatyan Miady Amin’i Armenia, fa mbola nomelohiny ihany ny tovolahy Vavolombelona 29 rehefa tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nogadraina ny 23 tamin’izy ireo. Tovolahy 86 no nigadra, teo anelanelan’ny Jolay 2011 ka hatramin’ny Oktobra 2013, ka nahatratra 168 taona mahery ny sazin’izy ireo tany am-ponja raha atambatra. Nitory tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina indray ny sasany tamin’ireo tovolahy nogadraina tsy ara-drariny ireo.

Zavatra mbola mampanahy

Manantena ireo efa nahavita ny saziny sy ireo nafahana tamin’ny Oktobra 2013 fa tsy hoheverina ho toy ny mpanao heloka bevava intsony izy ireo, noho ireo fanitsiana vao nataon’i Armenia tamin’ny lalàny momba ny heloka bevava. Mbola tsy hay koa raha hahazo onitra ireo voaheloka sy nogadraina taorian’ilay didim-pitsarana momba ny raharaha Bayatyan.

Mbola tsy fantatra hoe hatraiza marina no hampiharan’i Armenia an’ilay fanitsiana natao tamin’ny lalàna momba ny fanompoana sivily. Hita anefa hoe efa niezaka be mihitsy ny fitondrana any, mba hanajana ny zon’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Dingana Maro no Nolalovana vao Nety Ilay Lalàna Momba ny Fanompoana Sivily

Daty

Zava-nitranga

2001

Lasa mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina i Armenia, ary nasaina namoaka lalàna momba ny fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila

2004

Nivoaka ilay lalàna momba ny fanompoana sivily. Tsy nety tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ilay izy, satria ny miaramila ihany no niandraikitra azy

2006

Nahitsy ilay lalàna momba ny fanompoana sivily, ka nampiana karazana sazy hafa. Mbola tsy nasiana fanompoana sivily mety amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany anefa tamin’ilay izy

2011

Mpitsara 15 tamin’ireo 16 tao amin’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina no nilaza fa tsy nohajaina ny zo hanaraka ny feon’ny fieritreretana, tamin’ilay raharaha Bayatyan Miady Amin’i Armenia. Voaro àry ny zon’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany

2012

Namoaka didy roa nanameloka an’i Armenia ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ilay raharaha Bukharatyan Miady Amin’i Armenia sy Tsaturyan Miady Amin’i Armenia. Momba ny olona tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ireo raharaha ireo

2013

Nanitsy ny lalàny momba ny fanompoana sivily i Armenia, tamin’ny 8 Jona, ary namoaka lalàna hampiharana an’izany ny 25 Jolay. Mety hisy amin’izay ny fanompoana tena sivily

Vavolombelona valo, izay nigadra noho izy ireo tsy nety nanao miaramila, no nafahan’i Armenia tamin’ny 8 sy 9 Oktobra

Tamin’ny 23 Oktobra, dia neken’ny Vaomiera Momba ny Fanompoana Sivily ny fangatahan’ireo Vavolombelona 57 maniry hanao fanompoana sivily. Anisan’izany ny an’ireo Vavolombelona 6 tamin’ireo 20 mbola nigadra

Nafahana avy tao amin’ny Fonjan’i Erebuni ny Vavolombelona enina, tamin’ny 24 Oktobra

a Jereo ny Erçep Miady Amin’i Torkia, no. 43965/04, 22 Novambra 2011; Bukharatyan Miady Amin’i Armenia, no. 37819/03, 10 Janoary 2012; Tsaturyan Miady Amin’i Armenia, no. 37821/03, 10 Janoary 2012; Feti Demirta Miady Amin’ny Torkia, no. 5260/07, 17 Janoary 2012.