Hijery ny anatiny

20 NOVAMBRA 2013
ARMENIA

Nafahana Daholo ny Vavolombelon’i Jehovah Nogadraina Tany Armenia

Nafahana Daholo ny Vavolombelon’i Jehovah Nogadraina Tany Armenia

EREVAN, any Armenia—Nafahana tamin’ny 12 Novambra 2013 ireo Vavolombelon’i Jehovah 14 sisa nigadra tany. Nogadraina mantsy izy ireo satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Raha atambatra, dia Vavolombelona 28 no nafahana nanomboka tamin’ny 8 Oktobra 2013. Hita amin’io fa niova i Armenia. Tsy nanaja ny zon’ny olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany mantsy i Armenia hatramin’izay, ka tanora Vavolombelon’i Jehovah 450 mahery no efa nogadraina, nandritra ny 20 taona mahery. Sambany izao, hatramin’ny 1993, vao tsy misy Vavolombelona migadra intsony any Armenia, noho izy ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Vavolombelona valo no efa nafahana tany Armenia tamin’ny 8 sy 9 Oktobra. Nomena famotsoran-keloka izy ireo, ka lasa enim-bolana sisa ny sazin’izy ireo tany am-ponja. Nisy enina hafa nafahana tamin’ny 24 Oktobra. Ireo enina ireo no voalohany nandray soa tamin’ilay lalàna vaovao momba ny fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila. Tamin’ny 8 Jona 2013 no lanin’ny antenimiera io lalàna vaovao io. Noho izy io, dia lasa afaka manao fanompoana sivily tsy eo ambany fahefana na fanaraha-mason’ny miaramila ireo rahalahy, fa tsy gadraina intsony.

Vavolombelona 90 mahery no efa nanao fangatahana hanao an’io fanompoana sivily vaovao io. Nojeren’ny Vaomieram-pirenena ny fangatahan’izy ireo tamin’ny 23 Oktobra, ka ny 71 tamin’izany no nekena tamin’ny 12 Novambra 2013. Nilaza ilay Vaomiera fa efa handinika an’ireo raharaha sisa izy ireo.

Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe any New York: “Faly isika fa nafahan’ny fanjakana armenianina ireo tovolahy ireo, ary hoatran’ny efa mba milamina amin’izay io olana naharitra aman-taonany io.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Armenia: Tigran Harutyunyan, tel. +374 93 900 482