20 DESAMBRA 2019
ARZANTINA
Buenos Aires, Arzantina: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 13-15 Desambra 2019
Toerana: Estadio Único de La Plata, any Buenos Aires, any Arzantina
Fiteny: Anglisy, espaniola, tenin’ny tanana any Arzantina
Tampon’isan’ny mpanatrika: 47555
Tontalin’ny natao batisa: 563
Solontena avy any ivelany: 6300
Sampana nasaina: Amerika Afovoany, Bolivia, Eoropa Afovoany, Espaina, Etazonia, Failandy, Italia, Korea, Paragoay, Peroa, Romania, Silia, Skandinavia, ary Slovaquie-Tchéquie
Fitantarana: Anisan’ny nandray solontena avy any ivelany ny Panamericano Hotel. Hoy i Maria Anapios, tompon’andraikitra ao amin’io hotely io: “Be dia be ny firenena miady an-trano, miady amin’ny firenena hafa, ary misy ady eran-tany. Zava-dehibe ny mahita fotoan-dehibe hoatr’izao fivoriambe izao, satria hita hoe mbola misy ihany ny olona mihavana sy milamina tsara ary mifankatia, ary izany mihitsy no ilaintsika.”
Rahalahy sy anabavy miarahaba tonga soa ny solontena avy any ivelany, ao amin’ny seranam-piaramanidina
Rahalahy efatra misolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, talohan’ilay fivoriambe
Rahalahy sy anabavy mirohotra ho ao amin’ilay toerana hanaovana fivoriambe
Mpanatrika mitehaka mandritra ny fivoriambe
Rahalahy natao batisa tao amin’ny iray amin’ireo dobo telo nampiasaina tamin’ilay fivoriambe
Nanao ny lahateny famaranana alahady ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana
Anabavy efatra miara-maka sary sady mihazona soratra hoe “LOVE” (na Fitiavana)
Solontena avy any ivelany manao akanjo mampiavaka ny taniny, miara-maka sary
Manofahofa tanana amin’ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro manokana avy any an-tany hafa, amin’ny faran’ny fandaharana alahady
Rahalahy manao fampisehoana ho an’ny solontena avy any ivelany, tamin’ny korana takariva iray