Hijery ny anatiny

Manolotra mari-pankasitrahana amin’ny Rahalahy Miguel Puchetti (havanana), anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Arzantina, ny Solombavambahoaka Claudio Romero (havia)

31 DESAMBRA 2019
ARZANTINA

Buenos Aires: Nomena Mari-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah Noho ny Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019

Buenos Aires: Nomena Mari-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah Noho ny Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019

Neken’ny manam-pahefana tao Buenos Aires hoe fotoan-dehibe ara-pivavahana sy ara-kolontsaina ny fivoriambe iraisam-pirenena 2019 hatao any. Nisy valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety momba an’ilay fivoriambe, tamin’ny 12 Desambra 2019. Tamin’izay ny manam-pahefana no nanome mari-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampisehoana hoe tena zava-dehibe ilay fivoriambe.

Nankasitraka ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Buenos Aires i Claudio Romero sy Federico Pugliese, izay samy solontenam-panjakana. Hoy i Claudio Romero: “Hitako hoe zava-dehibe amin’ny fiaraha-monina ny mahita anareo mihavana sy miray saina ary mampihatra ny zavatra inoanareo. Tena manaja ny fivavahanareo aho satria ianareo vonona hanao zavatra sady miasa amin’ny fo. Mendrika ny hoderaina ianareo satria be fitiavana sy mafana fo rehefa mampianatra ny zavatra inoanareo amin’ny olona.” Hoy koa i Federico Pugliese: “Tonga eto ianareo androany mba hampahafantatra an’ilay teny filamatra hoe ‘Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana.’ Fantatro hoe tsy amin’io fivoriambe io ihany ianareo no mampihatra an’izany fa isan’andro mihitsy, satria ny fitiavana no mibaiko anareo.”

Hita amin’iny mari-pankasitrahana iny hoe derain’ny manam-pahefana ny rahalahy sy anabavintsika satria tia olona. Tsy hoe mba hoderain’ny olona anefa no mahatonga antsika hampiseho fitiavana fa mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana.—1 Jaona 4:8.