Hijery ny anatiny

15 MEY 2024
ARZANTINA

Fampirantiana Manokana any Arzantina Momba ny Nanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah

Fampirantiana Manokana any Arzantina Momba ny Nanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah

Misy fampirantiana hoe “Telozoro Volomparasy: Be Herim-po sy Niaritra” any amin’ny Tranombakoka Momba ny Famonoana Tambabe, any Buenos Aires, any Arzantina, nanomboka tamin’ny 3 Aprily 2024. Amin’ny 4 Aogositra 2024 ilay izy vao tapitra.

Vavolombelon’i Jehovah 16 000 mahery no nenjehin’ny Nazia satria tsy nety nanohana an-dry zareo mihitsy. Tsy nety nanao miaramila, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Nanjairana lamba kely telozoro volomparasy teo amin’ny akanjon’izay Vavolombelona nigadra, mba hamantarana azy.

Mizara telo ilay fampirantiana, dia ny zava-nisy tamin’izany sy ny zavatra notantarain’ny olona nahita an’izay nitranga no aseho ao. Natao izany mba hampisehoana hoe tsy nivadika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah fa niaritra foana tany amin’ireo firenena nofehezin’ny fitondrana nazia. Afaka mahazo fanazavana amin’ny tenin’ny tanana any Arzantina sy anglisy ary espaniola ny mpitsidika. Efa noraisina feo mialoha ilay izy, dia misy koa natao tamin’ny écran tactile sy amin’ny video isan-karazany. Efa misy olona vonona hitondra an’izay mpitsidika tonga koa ao amin’ilay fampirantiana.

Ankavia: Vehivavy mitondra mpitsidika sady mampiseho zavatra eo amin’ilay écran tactile. Afovoany: Mpitsidika maka sary akanjona gadra. Ankavanana: Mpitsidika roa mihaino fanazavana noraisina feo

Kopian’ilay taratasy manome antoka hoe hafahana izay manaiky hiala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony, nadika amin’ny teny espaniola

Hita ao koa ilay taratasy nampiasain’ny Nazia mba hanerena ny Vavolombelon’i Jehovah hivadika. Tsy ilay tena izy no ao fa mitovy tanteraka amin’ilay izy. Noterena im-be dia be ny rahalahy sy anabavy tamin’ny andron’ny Nazia mba hanao sonia taratasy milaza fa manaiky izy hoe tsy hanompo an’i Jehovah intsony sady tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony koa. Raha nanao sonia an’ilay taratasy ry zareo, dia ho nafahana tao amin’ny toby fitanana. Nahaliana mpitsidika be dia be ilay taratasy satria rehefa mandalo eo izy, dia asaina hampiasa fitaovana manampy azy haka sary an-tsaina hoe hoatran’ny ahoana ny nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Hoatran’ny miaina an’ilay izy mihitsy izy amin’izay. Aseho azy ilay taratasy, dia ampirisihina hisaintsaina izy hoe raha izy no Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Nazia, dia ho nanana herim-po handavana ve izy raha noterena hanao sonia sady ho sahy handa hatramin’ny farany.

Nitsidika an’ilay fampirantiana ny Profesora Isabel Burnstein, mpikaroka momba ny Famonoana Tambabe nataon’ny Nazia. Hoy izy: “Tena mahatonga saina be ilay fampirantiana satria ahitana hoe tsy nanaiky niala tamin’ny zavatra ninoany mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah sady nijoro foana tamin’izay zavatra hitany fa tsara. Efa tsy miraharaha an’izany hoe tsara sy ratsy izany intsony ny olona amin’izao. Dia tena ilaintsika ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah satria mampianatra antsika tsy hanaiky lembenana mihitsy fa hanaraka foana an’izay fitsipika hita hoe tena tsara sy tena tokony harahina.”

Rahalahy sy anabavy maromaro manampy mitondra mpitsidika

Efa nahatratra 8 400 mahery ny olona nitsidika an’ilay fampirantiana hatreto. Izao no tenin’ny Rahalahy Marcos Donadío, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Arzantina: “Mety hoe misy olona mbola tsy mahafantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hanampy an-dry zareo hahalala kokoa ny tantaranay sy ny zavatra inoanay ilay fampirantiana. Efa faly be sahady izahay mieritreritra hoe mbola be dia be mihitsy ny olona ho tonga hijery an’ilay izy. Manantena izahay hoe mbola be dia be no ho avy.”

Tena faly isika satria be herim-po sady tsy nivadika mihitsy ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny andron’ny Nazia. Enga anie isika ka hanao izay fara herintsika mba ho “mafy orina hatramin’ny farany” hoatran’ireo mpiara-manompo amintsika ireo.​—1 Korintianina 1:8.