15 FEBROARY 2023
ARZANTINA
Fampirantiana Nandritra ny Hetsika Ara-kolontsaina Tany Arzantina
Nankalazaina tany Rosario, any Arzantina, ny faha-38 taonan’ny Fetin’ny Mpifindra Monina, tamin’ny 11 ka hatramin’ny 21 Novambra 2022. Olona iray tapitrisa mahery no tonga tamin’io fotoan-dehibe io. Aseho amin’izy io ny fomba amam-panao sy kolontsaina mampiavaka an’ireo olona avy amin’ny firenena sy foko samihafa ao amin’io tany io. Nandamina fandaharam-pitoriana manokana tao amin’ny toerana nanaovana an’ilay fety ny biraon’ny sampan’i Arzantina, mba hampahafantarana ny tranonkalantsika jw.org sy hizarana boky sy gazety ara-baiboly. Tamin’ny tenin’ny tanana fampiasa any Arzantina ny boky sy gazety naseho tamin’ilay izy, dia nisy koa tamin’ny teny anglisy, espaniola, guarani, kreôla any Haïti, portogey, quechua any Bolivia, ary sinoa. Rahalahy sy anabavy 400 mahery no nandray anjara tamin’ilay fandaharam-pitoriana manokana.
Nahazo alalana tamin’ny tompon’andraikitra ireo rahalahy, ka afaka nametraka kalesy fampirantiana teny amin’ny toerana talaky maso. Izao no nolazain’ny lehilahy iray mpiandraikitra ny tanàna: “Madio sy milamina daholo ianareo, sady modely amin’ny fitondran-tena.” Nanatona teo amin’ny fampirantiana ny psikology iray avy any Rosario, dia niteny hoe: “Tiako ny bokinareo, fa efa mpamaky azy ireny aho! Matetika aho mampiasa azy ireny rehefa miresaka amin’ny marariko.”
Namoaka lahatsoratra momba an’ilay fitoriana nataontsika ny gazety La Capital, tamin’ny 14 Novambra 2022. Anisan’ny gazety be mpamaky ao Rosario izy io. Navoaka tao amin’ilay lahatsoratra ny rohy jw.org, ary noresahina tao hoe manome fanazavana amin’ny fiteny firy isika.
Faly isika fa manararaotra an’izay rehetra mitranga ny rahalahy sy anabavintsika any amin’ny faritra rehetra eran-tany, mba ‘hitoriana amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’—Asan’ny Apostoly 20:24.