22 APRILY 2024
ARZANTINA
Fitokanana ny Biraon’ny Sampana Vaovao any Arzantina
Notokanana tamin’ny 6 Aprily 2024 ny biraon’ny sampana vaovao any Buenos Aires, any Arzantina. Ny Rahalahy Jeffrey Winder, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Rahalahy sy anabavy efa ho 500 no nanatrika an’ilay fandaharana tao amin’ny efitrano lehibe telo tao amin’ilay Betela vaovao. Nisy olona 5 844 koa nanatrika an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence avy tao amin’ny Efitrano Fivoriambe iray ao Ezeiza, tanàna akaiky eo ihany. Nisy fandaharana manokana natao tao amin’ilay Efitrano Fivoriambe ny ampitson’iny, dia nalefa mivantana tany amin’ny fiangonana rehetra tany Arzantina sy Orogoay ilay izy. Olona 181 643 no nanatrika an’ilay fandaharana, raha atambatra.
Afaka nitsidika an’ilay biraon’ny sampana vaovao ireo vahiny tonga tamin’izay, sady afaka nifampiresaka sy niaraka nanao zavatra. Nisy fandaharana isan-karazany koa nalamina, dia azon-dry zareo nandraisana anjara. Nisy rahalahy sy anabavy maherin’ny 230 avy tany amin’ny tany 25 tamin’ireo vahiny ireo. Manompo any Ekoatera ny Rahalahy Sergio Spaccasassi ary nanampy tamin’ny fanamboarana an’ilay sampana vaovao tany Arzantina izy. Izao no nolazainy rehefa nahita an’ireo rahalahy sy anabavy be dia be avy any amin’ny tany isan-karazany tonga tamin’ilay fitokanana izy: “Mampiasa ny fandaharana manokana hoatran’ity i Jehovah mba hahatonga antsika hifandray akaiky toy ny fianakaviana iray manompo azy.”
Hoy ny Rahalahy Juan Carlos Nigro, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Arzantina: “Hitanay tamin’ny dingana tsirairay tamin’iny tetikasa iny hoe nitarika sy nitahy an’ilay izy i Jehovah. Izy no nanome antsika an’ity trano tsara tarehy sady manome voninahitra ny anarany ity.”
Misaotra an’i Jehovah miaraka amin’ny rahalahy sy anabavintsika any Arzantina isika satria ‘nataony tsara be daholo ny zava-drehetra’ amin’ilay Betela vaovao, “sady tamin’ny fotoanany avy.”—Mpitoriteny 3:11.