Hijery ny anatiny

29 AOGOSITRA 2023
ARZANTINA

Fitoriana Nandritra ny Fiadiana ny Amboara Eran-tanin’ny FIFA U-20 Tany Arzantina

Fitoriana Nandritra ny Fiadiana ny Amboara Eran-tanin’ny FIFA U-20 Tany Arzantina

Natao tany amin’ny tanan-dehibe efatra any Arzantina ny fiadiana ny amboara eran-tanin’ny FIFA U-20, tamin’ny 20 Mey ka hatramin’ny 11 Jona 2023. Naharitra telo herinandro io lalao ara-panatanjahan-tena io, ary tombanana ho 400 000 ny isan’ny olona tonga tamin’ilay izy, anisan’izany ny olona avy any an-toerana sy avy any ivelany. Nasiana fampirantiana misy kodiarana àry teny amin’ny toerana samihafa, tamin’ny fotoana samihafa. Nisy 500 teo ho eo ny rahalahy sy anabavy nandray anjara tamin’io fitoriana io, ary boky maherin’ny 500 no voapetraka. Be dia be koa ny olona nasaina nitsidika ny jw.org mba hahitany ny valin’ny fanontaniany momba ny Baiboly.

Nankeo amin’ny mpitory nanao fampirantiana ny lehilahy iray mipetraka teo amin’ny manodidina ary nilaza hoe tia mihaino raki-peo izy rehefa manao fanatanjahan-tena. Dia nasehon’ny rahalahy iray azy ny jw.org tamin’izay, ary nohazavaina taminy hoe ahoana ny ahazoana ny raki-peon’ny bokintsika. Nilaza ilay lehilahy avy eo fa hampidiriny ao anatin’ny lisitry ny zavatra hohenoiny ny raki-peon’ny bokintsika.

Natao tamin’ny fiteny sivy ilay fampirantiana mba hisarihana an’ireo olona avy any amin’ny firenena samihafa tonga hijery an’ilay lalao. Nianatra fomba fiarahabana vitsivitsy tamin’ny fiteny samihafa koa ny mpitory mba hahafahana miarahaba an’izay manatona eo amin’ny fampirantiana. Hoy ny rahalahy iray nandray anjara tamin’ilay izy: “Vao mainka hitako hoe tena tsara fanahy sy tsy manavakavaka i Jehovah, rehefa nandray anjara tamin’ity ezaka hitoriana amin’ny olona avy amin’ny firenena samihafa ity aho. Tena faly be aho!”

Nahagaga hoe navelan’ny mpikarakara an’ilay lalao hanao fampirantiana teo amin’ny toerana sasany ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha ny tokony ho izy mantsy dia tsy azo itangoronana ny toerana sasany mba hitandroana ny filaminana. Nanazava ny antony namelany ny Vavolombelon’i Jehovah hanao an’ilay fampirantiana ny iray tamin’ny mpikarakara an’ilay lalao, ka niteny hoe: “Fantatray hoe olona tia filaminana ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy atahorana hiteraka korontana.” Fitoriana vita ho azy tamin’ireo nitandro ny filaminana teny amin’ireo nanaovana fampirantiana izany.

Mampahery ny mahita hoe manao an’izay azony atao ny vahoakan’i Jehovah ka miezaka mitory amin’ny karazan’olona rehetra sady mamafy ny voan’ilay Fanjakana maneran-tany.​—Mpitoriteny 11:6.