29 JONA 2023
ARZANTINA
Fitoriana ny Vaovao Tsara Tany Amin’ny Toerana Mitokana any Arzantina sy Orogoay
Nandamina ezaka manokana ny sampan’i Arzantina mba hitoriana tany amin’ny toerana mitokana any Arzantina sy Orogoay, tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Aprily 2023. Nozaraina ireo mpitory 9 500 nandray anjara tamin’ilay izy, ka lasa nisy antokony 700 latsaka kely. Nanampy an’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 146 any amin’ireo faritra mitokana izy rehetra ireo.
Olona maherin’ny iray tapitrisa no mipetraka any amin’ny tanàna kely mampiasa fitenim-paritra, ary any amin’ny toerana ambanivohitr’i Arzantina sy Orogoay. Sarotra be tamin’ny mpitory ny nankany amin’ireo toerana mitokana ireo nandritra an’ireo telo taona lasa. Faly be anefa ireo rahalahy sy anabavintsika fa afaka nizara hafatra avy ao amin’ny Baiboly tany indray.
Nanao dia lavitra 1 600 kilaometatra latsaka kely ny Rahalahy Adrián Donadío sy Karina vadiny, vao tonga tany amin’ilay toerana nanendrena azy, izany hoe tany Tartagal, any Arzantina. Hoy i Adrián: “Hitanay hoe tena mila mianatra momba an’Andriamanitra ny olona tany. Dia faly be izahay hoe mba afaka nizara fampaherezana ho azy ireo tamin’ny alalan’ny vaovao tsara.”
Nitsidika mpivady efa 90 taona mahery mipetraka any Barrancas, any Arzantina, ny mpitory anankiroa ary nanomboka nampianatra Baiboly azy mivady, talohan’ny valanaretina COVID-19. Tsy afaka nifandray tamin’ny fiangonana nandritra ny telo taona anefa izy mivady, satria mipetraka any amin’ny toerana mitokana be, sady tsy tena mandeha tsara ny Internet any. Nanohy namaky Baiboly isan’andro foana anefa ry zareo, ary nivavaka tamin’i Jehovah foana hoe mba hisy olona hitsidika any indray. Tsy omby tratra ny hafalian’izy mivady rehefa tonga tany ny mpitory nanao an’ilay ezaka manokana. Nisaotra an’i Jehovah ry zareo fa nivaly ihany ny vavaka nataony. Natao avy eo izay hahafahan’izy mivady mianatra indray.
Samy mpisava lalana maharitra ny Rahalahy Eduar Ferreira sy Alejandra vadiny. Mipetraka any Montevideo, any Orogoay, izy mivady, ary nanao dia lavitra 400 kilaometatra rehefa nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana natao tany. Niaraka tamin’izy mivady koa ny zanany anankitelo, izay 17 taona sy 15 taona, ary 11 taona. Hoy i Eduar: “Nahafinaritra be ny nahita ny zanakay falifaly erỳ manompo. Vonona handray anjara amin’izay ezaka manokana hatao manaraka eo izahay mianakavy!”
Faly isika satria notahin’i Jehovah ireo rahalahy sy anabavintsika rehefa niezaka be mba ‘hitory tamin’ny fomba feno’ tany amin’ireo toerana mitokana.—Asan’ny Apostoly 10:42.