9 SEPTAMBRA 2020
ARZANTINA
Mbola Afaka Mianatra Baiboly Foana ny Voafonja na dia ao Anatin’ny Fotoanan’ny Valanaretina Aza
Mitarika fivoriana ho an’ny voafonja ao amin’ny fonja tsara ambina iray sy mampianatra Baiboly azy ireo, amin’ny alalan’ny vidéoconférence, ny rahalahintsika any San Luis, any Arzantina, isan-kerinandro. Sambany ry zareo vao nampiasa vidéoconférence mba hitoriana amin’ny voafonja hatramin’izay.
Efa aman-taonany ny mpiara-manompo amintsika any San Luis no nitsidika ny voafonja ao amin’io fonja io, dia nandamina fivoriana sy nampianatra Baiboly azy ireo tsy tapaka. Rehefa nanomboka anefa ny fihibohana tany Arzantina tamin’ny Martsa 2020, dia tsy afaka nanao an’izany intsony ry zareo. Nahazo alalana tamin’ny tompon’andraikitra ny fonja anefa ry zareo, dia lasa afaka mandamina fivoriana sy mampianatra Baiboly, amin’ny alalan’ny vidéoconférence.
Rehefa hitan’ny lehiben’ny fonja hoe nisy vokany tsara tamin’ireo voafonja ireo ny nitsidihan’ireo rahalahintsika azy ireo, dia nanomboka nivory koa izy sy ny vadiny. Hoy izy: “Tena mahasoa ny voafonja ilay fivoriana. Manampy an-dry zareo ho falifaly sy ho lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra mantsy ilay izy, amin’izao fotoana tsy ahafahan’ny olona mitsidika an-dry zareo izao. Manampy azy ireo tsy hiadiady koa ilay izy. Ny hanampy an’ireo voafonja ireo hiova sy ho lasa olona mahafinaritra eny amin’ny fiaraha-monina no tena tanjonay. Manampy be anay hanatratra an’izany tanjona izany mihitsy ny fampianarana Baiboly omena an-dry zareo.”
Nanoratra taratasy ho an’ireo rahalahy mandamina ny fivoriana sy ny fampianarana Baiboly ny voafonja iray. Hoy izy tao amin’ilay taratasy: “Isaky ny miala ao amin’ilay efitra igadrako aho fa hoe handeha hivory. . . dia lasa hadinoko daholo ny harerahako, ny olana mahazo ahy, ny zavatra mampanahy sy mampalahelo ahy, ary ilay izaho mahatsiaro ho manirery. Mahatsiaro ho sambatra aho, fa tena misaotra betsaka.”
Mahafaly ny mahafantatra hoe miezaka manampy ny olona mba handray soa avy amin’ny zavatra ampianarin’ny Baiboly ny mpiara-manompo amintsika, na dia amin’izao fotoana hisian’ny valanaretina izao aza.—Isaia 48:17, 18.