Hijery ny anatiny

2 FEBROARY 2022
ARZANTINA

Nahazo Trano Vaovao ny Fianakavian’ny Betela any Arzantina

Nahazo Trano Vaovao ny Fianakavian’ny Betela any Arzantina

Tafafindra soa aman-tsara any amin’ilay tranon’ny sampana vaovao ny fianakavian’ny Betela any Arzantina. Orinasa mpanao trano no nanorina azy, ary tamin’ny tapatapaky ny taona 2021 ilay izy no vita. Ny Betelita sy ny mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana avy eo no namita ny pitsipitsiny rehetra tamin’ilay trano vaovao, anisan’izany ny fananganana fanaka, fanadiovana, fametahana fantsona, ary ny resaka elektrisite.

Birao misy toeram-piasana 136 no ao amin’ilay trano lehibe iray, ary trano fonenana misy efitra 98 no amin’ireo trano lehibe roa hafa. Nizarazara tany amin’ny toerana maromaro ny Betela teo aloha. Toerana iray daholo anefa izao no misy ny fiasana sy ny trano fonenana. Any ivelan’i Buenos Aires, renivohitr’i Arzantina, no misy an’ilay Betela vaovao ary 8 524 metatra toradroa ny velarany.

Hoy ny Rahalahy Humberto Cairo, anisan’ny Komitin’ny Sampana: “Hita hoe tena nalala-tanana i Jehovah tamin’ity tetikasa ity. Tsara be mihitsy ireo trano vaovao, miaraka amin’ilay soratra ngezabe hoe jw.org.”

Izao indray no nolazain’ny Rahalahy Sebastian Rosso, miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana: “Fanomezana be avy amin’i Jehovah ity toerana ity, sady mifanaraka amin’ilay ilainay mihitsy. Tena misaotra azy izahay fa manana trano tsara tarehy sy azo ampiasaina tsara.”

Matoky isika hoe vao mainka hampitombo ny asa vita io Betela vaovao io sady ho fitoriana vita ho azy amin’ny manodidina, ka hahazo voninahitra i Jehovah.​—2 Tantara 7:1.

 

Nifindra tao amin’ilay tranon’ny sampana vaovao any Buenos Aires ny fianakavian’ny Betela any Arzantina. Tamin’ny Jolay 2021 no nanomboka ilay fifindrana, ary narahina tsara ny fepetra natao hiarovana amin’ny COVID-19. Ny Betelita avy eo no namita ny pitsipitsiny rehetra tamin’ilay trano, anisan’izany ny fananganana fanaka sy ny fanadiovana. Ho fitoriana vita ho azy amin’ny manodidina io Betela vaovao io