1 JANOARY 2020
ARZANTINA
Navoaka Amin’ny Tenin’ny Tanana any Arzantina Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Nampandrenesin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Buenos Aires, Arzantina, tamin’ny 13 Desambra 2019, hoe vita Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny tenin’ny tanana any Arzantina (LSA). Izay vao nadika ho amin’ny LSA ny Soratra Grika Kristianina.
Tamin’ny 3 Desambra 2014 no nanomboka ilay tetikasa ary natomboka tamin’ny bokin’i Matio izany. Tonga dia navoaka tao amin’ny JW Library Tenin’ny Tanana izay boky voadika satria amin’ny endrika video ny boky amin’ny tenin’ny tanana.
Misy milaza hoe olona 400000 eo ho eo no mampiasa LSA any Arzantina. Mpitory 2700 eo ho eo no mampiasa LSA ka ny 470 amin’ireo no marenina. Hoy ny Ranabavy Laura Losada, izay marenina sy mahay tsara ny LSA: “Faly be aho sady misaotsaotra an’i Jehovah satria malala-tanana izy sady tia manampy. Tamin’izaho mbola tsy nanana Baiboly LSA, dia sahirana be aho namaky Baiboly amin’ny teny espaniola satria tsy nisy azoko mihitsy izay novakiko tao. Mazava tsara amiko anefa ilay Baiboly vaovao ary tsapako hoe manampy ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah.”
Misaotra an’i Jehovah ny rahalahy sy anabavy mampiasa LSA satria hanampy azy ireo hanana finoana matanjaka foana io fandikan-teny mora azo io. Azo antoka hoe tena ilain’ny mpitory any Arzantina koa io Baiboly io rehefa hanampy ny marenina hafa ho lasa naman’Andriamanitra izy ireo.—Asan’ny Apostoly 13:48.