Hijery ny anatiny

14 OKTOBRA 2019
ARZANTINA

Vaovao Farany Momba ny Fanorenana ny Betelan’i Arzantina

Vaovao Farany Momba ny Fanorenana ny Betelan’i Arzantina

Sarin’ilay toerana rehefa mody masoandro

Herintaona mahery izay no nanombohan’ilay tetikasa fanorenana ny biraon’ny sampan’i Arzantina ary efa misasaka ny asa. Tranobe iray hisy birao sy tranobe roa hatao trano fonenana no aorina eo amin’ny velaran-tany 8524 metatra toradroa. Tokony ho vita amin’ny Jolay 2020 ilay fanorenana.

Faly be isika hoe mandeha tsara ny fanorenana ny sampan’i Arzantina. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah foana io tetikasa io.—Deoteronomia 28:8.

 

Aprily 2019: Ilay trano hatao birao. Hampiakarina hatrany amin’ny farany ambony amin’ilay trano ireo andry any amin’ny fototra ireo, mba ho mafy orina tsara ilay trano

Jona 2019: Manao andry eo amin’ny Trano Fonenana A ny mpanao fanorenana iray, eo ambony esafôdazy

Jolay 2019: Mametraka vy sy fil ho an’ny rihana faharoa ao amin’ilay tranobe hatao birao ny mpanao fanorenana

Jolay 2019: Mandraraka rihitra simenitra hanaovana dalazy amin’ny rihana voalohany amin’ny Trano Fonenana A ny mpanao fanorenana. Hisy rihana efatra io trano io ary hisy lavarangana

Jolay 2019: Toerana hisy ny fametrahana fiara. Antonona fiara 72 ilay ao ambanin’ny tany ary 72 ny eo ambony

Aogositra 2019: Ny Trano Fonenana A eo ankavia, ary ny Trano Fonenana B sy ny birao no eny aoriana