6 NOVAMBRA 2018
ARZANTINA
Fitoriana eny Amin’ny Toerana Be Olona Nandritra ny Lalao Olympika 2018 Tany Arzantina
Natao tany Buenos Aires, any Arzantina, ny Lalao Olympika 2018 ho an’ny tanora. Nanao ezaka manokana mba hitoriana eny amin’ny toerana be olona àry ny rahalahy sy anabavintsika tany, tamin’ny 6 ka hatramin’ny 18 Oktobra 2018.
Ny Lalao Olympika ho an’ny tanora no fifaninanana ara-panatanjahan-tena lehibe indrindra eran-tany ho an’ny atleta eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 18 taona. Atleta maherin’ny 4000 avy any amin’ny tany 206 no nandray anjara tamin’izy io tamin’ity taona ity. Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 6400 no nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana, mba ho afaka handre ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly ny atleta sy vahiny be dia be avy any amin’ny tany samihafa tonga tao amin’ilay tanàna. Nampiasa kalesy fampirantiana 390 teny amin’ny toerana efa ho 100 ireo rahalahintsika, tamin’izany.
Ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa sy ilay bokikely hoe Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora no nasehon’ireo rahalahy teo amin’ilay fampirantiana, satria natao ho an’ny tanora ilay lalao. Nisy tamin’ny fiteny isan-karazany ireo boky ireo, anisan’izany ny alemà, anglisy, arabo, espaniola, frantsay, koreanina, rosianina, sinoa, ary tenin’ny tanan’ny avy any Arzantina. Boky 790 teo ho eo no voazara isan’andro nandritra an’io ezaka manokana io.
Faly erỳ ireo rahalahy sy anabavy izay nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana, nizara ny fampanantenan’ny Baiboly tamin’ny tanora sy ny olon-dehibe.—Salamo 110:3.