Hijery ny anatiny

Ny sasany amin’ireo rahalahy sy anabavintsika nogadraina tany Azerbaïdjan tamin’ny 2010. Nilaza ny CEDH fa voahitsakitsaka ny zon’izy ireo hanana fahalalahana ara-pivavahana

27 FEBROARY 2020
AZERBAÏDJAN

Azerbaïdjan: Nanome Rariny Antsika ny CEDH

Azerbaïdjan: Nanome Rariny Antsika ny CEDH

Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) tamin’ny raharaha roa mahakasika ny fahalalahana ara-pivavahana. Manantena isika hoe hanampy ny rahalahintsika manerana an’i Azerbaïdjan mba hanana fahalalahana ara-pivavahana kokoa ireny didy navoakan’ny CEDH ireny.

Efa nalefa tany amin’ny CEDH tamin’ny 2010 ny raharaha Nasirov sy ny Namany miady amin’i Azerbaïdjan. Nalefa tamin’ny 2009 kosa ny raharaha Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah miady amin’i Azerbaïdjan. Tamin’ny 20 Febroary 2020 ny CEDH no namoaka didy mahakasika an’ireo raharaha roa ireo. Nilaza io fitsarana io, tamin’ilay raharaha Nasirov, hoe nandika ny Andininy faha-5 sy faha-9 (Fahafahan’ny Olona sy Fahalalahana Ara-pivavahana) amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Azerbaïdjan. Imbetsaka mantsy no nogadraina sy nomelohina ary nampandoavina sazy ny Vavolombelon’i Jehovah any tamin’ny 2010, satria hoe nitory momba ny vaovao tsara. Nodidian’ilay fitsarana handoa 12 400 000 Ariary eo ho eo (3 000 euros) ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay niharan’ny tsy rariny i Azerbaïdjan, izany hoe 86 800 000 Ariary eo ho eo (21 000 euros), amin’ny fitambarany. Nolazain’io fitsarana io koa, tamin’ilay raharaha tamin’ny 2009, hoe nandika ny Andininy faha-10 (Fahalalahana Haneho Hevitra) amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Azerbaïdjan satria tsy navelany hanafatra na hizara ny sasany amin’ny boky sy gazetintsika ny rahalahintsika.

Hoy i Jason Wise, anisan’ny mpahay lalàna niaro antsika tamin’ireo raharaha ireo: “Efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah no sahirana rehefa mampiditra sy mizara boky ara-pivavahana eto Azerbaïdjan. Imbetsaka izahay no niady teny amin’ny fitsarana mba hahafahana manafatra boky. Be dia be koa ny Vavolombelon’i Jehovah nosamborina sy nogadraina satria niresaka momba ny Baiboly tamin’ny olona, dia betsaka ny raharaha nampakarinay fitsarana. Tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Azerbaïdjan ireo didim-pitsarana roa navoakan’ny CEDH ireo. Nolazain’io Fitsarana io, tamin’ilay raharaha Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah [miady amin’i Azerbaïdjan], fa tsy mampiady fivavahana sady tsy miteraka olana hafa ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nolazainy koa, tamin’ilay raharaha Nasirov, fa manan-jo hizara boky ara-pivavahana eny amin’ny toerana falehan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly izahay fa miaro ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana haneho hevitra eto Azerbaïdjan io Fitsarana io.”

Nilaza ny fihetseham-pony toy izao ny Rahalahy Famil Nasirov: “Niaritra ny mafy izahay taloha. Matetika izahay no samborin’ny polisy dia avy eo alaina am-bavany mandritra ny adiny efatra na adiny dimy. Afaka mitory ny vaovao tsara an-kalalahana anefa izahay izao noho ny fanampian’i Jehovah sy ny ezaka mafy ataon’ny rahalahintsika.”

Efa mba nahazo fahalalahana kely ihany ny mpiara-manompo amintsika any Azerbaïdjan, talohan’ireo didy navoakan’ny CEDH ireo. Navelan’ny fanjakana hampiditra sy hizara ny boky sy gazetintsika any Azerbaïdjan ny rahalahintsika. Tsy nisy nampandoavina lamandy koa izy ireo rehefa nanatrika fivoriana, nanomboka tamin’ny Janoary 2017. Efitrano Fanjakana telo any Bakou sy tranon’olona maro manerana an’i Azerbaïdjan izao no misy fivoriana. Biraom-panjakana manoratra ny fivavahana any Azerbaïdjan mba ho ara-dalàna ny Komitim-panjakana Misahana ny Fikambanana Ara-pivavahana. Noho ny fanampian’io birao io, nanomboka tamin’ny 2015, dia afaka nanofa toerana anaovana fivoriambe sy anaovana Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mankasitraka an’i Jehovah isika noho ireny didim-pitsarana ireny, ary misaotra azy koa noho ny fanampiany an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Azerbaïdjan.—Salamo 98:1.