Hijery ny anatiny

30 JOLAY 2019
AZERBAÏDJAN

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Niavaka Tany Azerbaïdjan

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Niavaka Tany Azerbaïdjan

Nanao ny fivoriamben’ny vondrom-paritra fanaony isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan, tamin’ny 26 ka hatramin’ny 28 Jolay 2019, tao amin’ny toerana iray fanaovana lanonana ao Darnagul, ao Bakou renivohitra. Betsaka ny fivoriambe iraisam-pirenena tsy hay hadinoina, amin’ity taona ity, nefa tsy latsak’izany koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Bakou. Io no fivoriambe ho an’ny besinimaro be mpanatrika indrindra hatramin’izay, tany Azerbaïdjan. Vao voalohany koa no niray fivoriambe ny fiangonana azerbaijaney sy rosianina manerana an’i Azerbaïdjan.

Misy mpitory 1500 eo ho eo any Azerbaïdjan nefa nahatratra 1938 ny tampon’isan’ny mpanatrika, ary 33 no natao batisa. Nahazo alalana manokana hankany Azerbaïdjan ny Rahalahy Mark Sanderson mba hanao lahateny amin’ilay fivoriambe. Sambany vao nisy rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nanao anjara tamin’ny fivoriambe tany Azerbaïdjan. Misaotra ny manam-pahefana isika noho izy ireo nanome an’io alalana io.

Voamariky ny olona hoe tena miray saina ny rahalahy sy anabavy any. Hitan’ny mpitantana an’ilay toerana hoe mihavana sy mifankatia ary tsara fanahy ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tena mampihatra ny zavatra ampianariny.

Mbola tsy hajaina ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanana fahalalahana ara-pivavahana, any Azerbaïdjan. Manome fahalalahana tsikelikely anefa izao ny manam-pahefana. Nekena ho ara-dalàna tanteraka, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah ao Bakou, tamin’ny Novambra 2018. Lasa arovan’ny lalàna kokoa àry izy ireo ka afaka mivory sy mitory malalaka tsara.

Miara-paly amin’ny rahalahy sy anabavintsika any Azerbaïdjan isika amin’ireo vaovao tsara ireo, anisan’izany ilay fivoriambe niavaka. Miezaka isika mba ho ‘mafy orina araka ny lalàna ny vaovao tsara’ any Azerbaïdjan sy maneran-tany, ary mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika mifandray amin’izany.—Filipianina 1:7.