Hijery ny anatiny

24 DESAMBRA 2020
AZERBAÏDJAN

Manohana ny Fahalalahana Ara-pivavahana ny Didy Navoakan’ny CEDH

Manohana ny Fahalalahana Ara-pivavahana ny Didy Navoakan’ny CEDH

Namoaka didy maromaro nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny Oktobra sy Novambra 2020. Anisan’izany ny raharaha mahakasika an’i Gridneva Miady Amin’i Azerbaïdjan, Sheveli sy Shengelaya Miady Amin’i Azerbaïdjan, Jafarov Miady Amin’i Azerbaïdjan, ary Tagiyev Miady Amin’i Azerbaïdjan. Tena miaro ny zon’ny rahalahintsika hitory sy hivory ary hampiditra boky sy gazety any Azerbaïdjan ireo didy ireo.

Niakatra fitsarana ireo raharaha ireo tamin’ny 2011 sy 2012. Momba ny manam-pahefana nanao bemidina tany amin’ny fivorian’ny fiangonana na tsy namela ny rahalahintsika hanao asa fitoriana ilay raharaha hoe Gridneva Miady Amin’i Azerbaïdjan, ary Sheveli sy Shengelaya Miady Amin’i Azerbaïdjan. Ilay rahahara hoe Jafarov Miady Amin’i Azerbaïdjan, sy Tagiyev Miady Amin’i Azerbaïdjan indray momba ny fitondram-panjakana tsy namela ny ankamaroan’ny bokintsika hiditra any an-toerana, na namela ihany fa noferany izany.

Mahagaga fa niaiky i Azerbaïdjan tamin’ny telo tamin’ireo raharaha efatra ireo (Gridneva Miady Amin’i Azerbaïdjan, sy Jafarov Miady Amin’i Azerbaïdjan, ary Tagiyev Miady Amin’i Azerbaïdjan) hoe tsy nanaja ny zon’ireo rahalahintsika, ary nanaiky handoa onitra 10 500 euros (47 tapitrisa ariary eo ho eo) izy.

Ilay raharaha Sheveli sy Shengelaya Miady Amin’i Azerbaïdjan indray momba ny mpiandraikitra ny faritra mivady nosamborina tsy ara-drariny, dia nalefa tany an-tany hafa. Nasain’ny CEDH handoa 3 000 euros (13 tapitrisa ariary eo ho eo) tamin’izy mivady i Azerbaïdjan tamin’izay.

Izao no nohazavain’ny CEDH tao amin’ilay didy: “Nosazina [izy mivady] satria nivavaka sy nanao asa nifandray tamin’ny fivavahany. Mifanohitra amin’ilay Fifanarahana [Eoropeanina] Momba ny Zon’olombelona anefa izany. Raha ara-drariny ny nanasazina azy ireo dia toa midika izany fa izay fivavahana vitsy mpanaraka sady tsy misoratra ara-dalàna any amin’ny Fanjakana dia tsy azo arahina. Raha izany koa dia lasa hoatran’ny hoe izay finoana tian’ny Fanjakana sy asainy hinoana ihany no azon’ny olona inoana.”

Nanome rariny kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana any Azerbaïdjan tato ho ato, nandritra izay taona vitsivitsy lasa izay, sady nanohana ny zon’izy ireo. Faly isika fa mbola manohana ny zon’ireo rahalahintsika ireo hanaraka an’izay fivavahana tiany ireny didy navoakan’ny CEDH ireny. I Jehovah anefa no tena isaorantsika satria Izy no “fialofana sy hery ho antsika.”​—Salamo 46:1.