Hijery ny anatiny

4 FEBROARY 2022
AZERBAÏDJAN

Manohana ny Zon’ireo Anabavy Voasambotra Tany Azerbaïdjan ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona

Manohana ny Zon’ireo Anabavy Voasambotra Tany Azerbaïdjan ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona

Nisy anabavy nosamborin’ny polisy tany Azerbaïdjan, satria niresaka an’izay lazain’ny Baiboly tamin’ny olona. Namoaka didy roa mifandray amin’izany àry ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR), tamin’ny Novambra sy Desambra 2021. Manohana ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hiresaka ny finoany amin’ny hafa ireo didy ireo.

Nanohana ny zon’ny Ranabavy Matanat Gurbanova sy Saadat Muradhasilova hitory ny CCPR, tamin’ny 5 Novambra 2021. Naharay fitarainana avy amin’olona tsy nitonona anarana ny polisy tamin’ny Novambra 2014, dia nosamborina ireo anabavy ireo taorian’izay. Samy nampandoavina lamandy 1 500 manats azerbaijaney (3 500 000 ariary eo ho eo) izy roa vavy. Nilaza ny CCPR hoe tsy ara-dalàna ilay fisamborana ary tokony hataon’i Azerbaïdjan izay tsy hiverenan’ny zavatra hoatr’izany intsony amin’ny manaraka.

Hoy i Matanat sy Saadat, izay sady mpirahavavy iray tam-po: “Vao mainka nanatanjaka ny finoanay ilay zava-nitranga, na dia ny hampitahotra anay aza no tanjon’ny polisy sy ny mpitsara. Mbola nasehon’i Jehovah indray hoe tsy fohy ny tanany sady fantany ny fotoana sy ny fomba hiarovana ny mpanompony.”

Nosamborin’ny polisy koa ny Ranabavy Jeyran Azizova sy Gulnaz Israfilova satria “nanao zavatra ara-pivavahana tany ivelan’ny tranony.” Namoaka didy mitovitovy amin’ilay teo aloha àry ny CCPR, tamin’ny 21 Desambra 2021, ary nilaza fa nandika lalàna ny polisy any Azerbaïdjan rehefa nanao an’izany. Nohamafisin’ny CCPR koa fa tsy hoe nanao zavatra tsy ara-dalàna akory ireo anabavy ireo raha niresaka ny finoany tamin’ny hafa.

Nitsidika namana tany amin’ny faritr’i Goranboy, any Azerbaïdjan, i Jeyran sy Gulnaz tamin’ny Novambra 2016, dia tamin’izay izy ireo no niresaka an’izay lazain’ny Baiboly tamin’ny hafa. Nisy manam-pahefana teo an-toerana avy eo nitaraina tany amin’ny polisy, dia nosamborina izy roa vavy. Rehefa notsaraina izy ireo dia nampangain’ilay mpitsara hoe mpitsikilo, ary nampandoavina lamandy 2 000 manats azerbaijaney (4 700 000 ariary eo ho eo). Nanohana an’io didy io koa ny fitsarana ambony kokoa, ka nampakarin’izy roa vavy tany amin’ny CCPR ilay raharaha.

Manampy antsika hanatanteraka tsara an’ilay asa lehibe indrindra ataontsika ireny didim-pitsarana ara-drariny ireny, ka miara-paly amin’ireo anabavintsika ireo isika. Modely ho antsika koa izy ireo satria be herim-po rehefa mitory ny vaovao tsara.​—Matio 10:18.