Hijery ny anatiny

5 JANOARY 2021
AZERBAÏDJAN

Namoaka Didy Manome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona

Namoaka Didy Manome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona

Namoaka didy anankiroa lehibe manome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, tamin’ny 15 Desambra 2020. Didim-pitsarana momba ny raharaha Rahima Huseynova miady amin’i Azerbaïdjan ny anankiray, fa momba ny raharaha Saladdin Mammadov, Rashad Niftaliyev ary Sadagat Abbasova miady amin’i Azerbaïdjan kosa ny iray hafa. Tamin’ireo raharaha anankiroa ireo, dia nilaza ilay Komity fa nanitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana any Azerbaïdjan. Nasain’io Komity io novan’i Azerbaïdjan koa ny lalàna misy any aminy, amin’izay ry zareo tsy manitsakitsaka ny zon’ny hafa intsony amin’ny manaraka.

Tamin’ilay raharaha Rahima Huseynova miady amin’i Azerbaïdjan, dia nogadrain’ny polisy tany Bakou ny Ranabavy Rahima Huseynova, tamin’ny Desambra 2014, satria niresaka ny zavatra inoany. Mbola tsy voasoratra ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tany Bakou, tamin’izany, a dia nampandoavin’ny fitsarana 1 500 Manats azerbaijaney (882 dolara) izy. Nampakarin’ny Ranabavy Rahima Huseynova tany amin’ny Fitsarana Ambony any Bakou ilay raharaha. Nanohana an’ilay didim-pitsarana anefa ny Fitsarana Ambony. Nanapa-kevitra àry ny Ranabavy Huseynova fa hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena.

Nilaza ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona fa nandika ny Andininy Faha-18(1) ao amin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika (ICCPR) i Azerbaïdjan. Nasain’io Komity io nandoa onitra tamin’ny Ranabavy Huseynova koa i Azerbaïdjan. Tsara ho marihina fa rehefa nampahafantarina ny besinimaro ilay didim-pitsarana dia nilaza ilay Komity fa “tokony hanao izay rehetra azony atao” i Azerbaïdjan “mba tsy ho voahitsakitsaka hoatr’izao intsony ny zon’ny olona amin’ny manaraka. Midika izany hoe mila manova ny lalàna sy ny fomba hampiharana ny lalàna ao aminy izy ireo mba ho voaro sy ho voahaja tsara ny zo rehetra resahina ao amin’ny andininy faha-18 ao amin’ny [ICCPR].”

Rahalahy sy anabavy maromaro any Gandja indray no voakasika amin’ilay raharaha Saladdin Mammadov, Rashad Niftaliyev sy Sadagat Abbasova miady amin’i Azerbaïdjan. Nivory tao amin’ny tranon’ny Rahalahy Saladdin Mammadov izy ireo, tamin’ny Oktobra 2014, mba hiara-hianatra Baiboly. Tamin’izay indrindra ny polisy no nanao bemidina, ka naka ny Baibolin’izy ireo sy ny zavatra hafa. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy ny Rahalahy Mammadov sy ny Rahalahy Rashad Niftaliyev ary ny Ranabavy Sadagat Abbasova, ary notanana tany nandritra ny adiny enina mahery. Voantso tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Nizami, any Gandja ry zareo, roa andro taorian’izay. Namoaka didy ilay fitsarana fa tsy ara-dalàna ny fivoriana nataon’izy ireo satria mbola tsy voasoratra ara-dalàna ny fivavahan’izy ireo. Nampandoavin’ny fitsarana 2 000 Manats azerbaijaney (1 176 dolara) tsirairay ireo Vavolombelona ireo. Nampakarin’ireo rahalahy sy anabavy ireo tany amin’ny Fitsarana Ambony any Gandja ilay raharaha. Nampalahelo anefa fa nohamafisin’ilay fitsarana ilay didy navoakan’ny fitsaram-paritra. Nampakarin’izy ireo tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona indray àry ilay raharaha avy eo.

Nilaza ilay Komity fa nandika ny andininy maromaro tao amin’ny ICCPR i Azerbaïdjan sady tokony handoa onitra amin’ireo Vavolombelona telo ireo. Nahafinaritra fa rehefa nampahafantarina ny besinimaro ilay didim-pitsarana dia nilaza ilay Komity fa “tsy nampahafantarin’ilay fitsaram-paritra mialoha an’ireo Vavolombelona ireo akory hoe tokony hosoratana ara-dalàna aloha ny fivavahan’izy ireo, izay izy ireo vao ho afaka hanao zavatra mifandray amin’ny fivavahany any amin’ny trano anankiray.” Nilaza koa ilay didy fa mahazo miara-mivory ny rahalahintsika any Azerbaïdjan na dia mbola tsy voasoratra ara-dalàna aza ny fivavahan’izy ireo.

Mitovy amin’ilay raharaha Rahima Huseynova miady amin’i Azerbaïdjan ihany, dia nasain’ilay Komity nanova “ny lalàna sy ny fomba hampiharana ny lalàna ao aminy” i Azerbaïdjan mba ho azo antoka hoe voahaja tsara ny zo rehetra resahina ao amin’ny ICCPR.

Soa ihany fa efa mihatsara ny zava-misy any Azerbaïdjan, sady tsy nandrava ny fivoriana nataon’ny mpiara-manompo intsony ny polisy, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Manantena isika hoe ho mafy orina araka ny lalàna ny vaovao tsara any Azerbaijan, noho ireo didim-pitsarana roa ireo.—Filipianina 1:7.

a Neken’i Azerbaïdjan ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Bakou, tamin’ny Novambra 2018.