Hijery ny anatiny

29 SEPTAMBRA 2020
AZERBAÏDJAN

Namoaka Didy Roa Manome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Namoaka Didy Roa Manome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Nilaza didim-pitsarana roa lehibe nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 24 Septambra 2020. Didim-pitsarana momba ny raharaha Valiyev sy Olon-kafa miady amin’i Azerbaïdjan ilay voalohany ary momba ny raharaha Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah miady amin’i Azerbaïdjan ilay faharoa. Miaro ny zon’ny mpiara-manompo amintsika hanao zavatra mifandray amin’ny fivavahany an-kalalahana ireo didy ireo.

Nanao fanambarana i Azerbaïdjan fa miaiky izy hoe nanitsakitsaka ny zon’ny mpiara-manompo amintsika izy ireo, tamin’ireo raharaha roa ireo. Vonona handoa onitra 19 000 euros (86 754 000 ariary) amin’ny mpiara-manompo amintsika ny fitondram-panjakana. Hita tamin’ny didim-pitsarana navoakan’ny CEDH hoe manaiky an’ilay fanambarana nataon’i Azerbaïdjan izy ireo.

Rahalahy Valiyev mitarika fivoriana any an-tranon’olona

Mahakasika ny rahalahy sy anabavy any Gandja ilay raharaha Valiyev sy Olon-kafa miady amin’i Azerbaïdjan, izay nalefa tany amin’ny CEDH tamin’ny 2011. Nolavin’ny fanjakana foana ny fanoratana ara-dalàna ny fikambanantsika, nandritra ny taona maro. Vokatr’izany, dia matetika ny polisy no nandrava ny fivoriana ara-pivavahana milamina tsara ataontsika, nisambotra an’izay nanatrika teo, ary nampandoa lamandy lafo be azy ireo. Nisy rahalahy iray, ohatra, naverimberina nomelohina sy nampandoavina lamandy, ka raha tontalina dia efa mahatratra 9 450 Manats azerbaijaney (44 248 750 ariary amin’izao) ny lamandy naloany. Nosamborina mihitsy ny rahalahy sy anabavy sasany satria lafo be ny lamandy nasaina naloany, dia tsy voaloany.

Nalefan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny CEDH ilay raharaha Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah miady amin’i Azerbaïdjan, tamin’ny 2013. Noferan’ny fitondrana mantsy ny habetsahan’ny boky sy gazety ara-baiboly mahazo miditra any Azerbaïdjan.

Efa mihatsara ny zava-misy any Gandja, na dia mbola tsy eken’ny fanjakana aza ny fanoratana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nandrava ny fivoriana nataon’ny mpiara-manompo intsony ny polisy, dia afaka nanao fivoriana tao an-trano ry zareo, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Vitsivitsy ihany ry zareo no miara-mivory. Ankoatra an’izay, dia lasa ampy tsara ny boky sy gazety ara-baiboly azo hafarana sy tonga any, na dia mbola tsy maintsy arahin’ny fanjakana maso daholo aza alohan’ny hahatongavany.

Hoy ny Rahalahy Kiril Stepanov, miara-miasa amin’ny Biraon’ny Filazam-baovao an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan: “Manantena isika hoe hanafaingana ny fanoratana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Gandja sy any amin’ny tanàna hafa eto Azerbaïdjan ilay didy navoakan’ny CEDH. Mino koa isika hoe hisy fotoana tsy hanara-maso ny boky sy gazetintsika intsony ny fanjakana, alohan’ny hahatongavany.”

Misaotra an’i Jehovah isika noho izy manampy antsika. Hita amin’ireny didim-pitsarana ireny hoe ‘tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana ny vahoakan’Andriamanitra.’—Isaia 54:17.