Hijery ny anatiny

Rahalahy Seymur Mammadov, migadra satria tsy nanaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany

20 OKTOBRA 2022
AZERBAÏDJAN

Nandika ny Fanapahan-kevitry ny CEDH i Azerbaïdjan ka Nanagadra An’i Seymur Mammadov Noho Izy Tsy Nety Hanao Miaramila

Nandika ny Fanapahan-kevitry ny CEDH i Azerbaïdjan ka Nanagadra An’i Seymur Mammadov Noho Izy Tsy Nety Hanao Miaramila

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Goranboy any Azerbaïdjan higadra sivy volana ny Rahalahy Seymur Mammadov, 22 taona, tamin’ny 22 Septambra 2022. Tsy nanaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany mantsy izy. Vao nivoaka ny didim-pitsarana dia teo no ho eo ihany izy dia efa nosamborina tao amin’ny fitsarana. Mandika an-kitsirano an’ilay didy anankiroa navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) ho an’i Azerbaïdjan io didy io.

Namoaka didim-pitsarana roa nanameloka an’i Azerbaïdjan mantsy ny CEDH hatramin’ny 2019, tamin’ilay raharaha hoe Mamedov sy ny Hafa miady amin’i Azerbaïdjan sy ilay raharaha hoe Mekhtiyev sy Abilov miady amin’i Azerbaïdjan. Samy manohana ny Vavolombelon’i Jehovah ireo didim-pitsarana roa ireo, izany hoe miaro ny zon’izy ireo tsy hanao miaramila noho ny antony ara-pivavahana, araka ny Andininy faha-9 ao amin’ny Fifanarahana Eoropeanina.

Niaiky teo anatrehan’ny CEDH ny fitondrana any Azerbaïdjan, tamin’ireo raharaha roa ireo, fa nandika ny zon’ny rahalahintsika ka nilaza fa hanonitra ny vokatry ny nataony rehetra tamin’izy ireo. Tena tsy noraharahiany indray anefa ireo didim-pitsarana ireo rehefa jerena ny nataony tamin’ny Rahalahy Mammadov. Mbola tsy nanaja ny zon’io rahalahintsika io ihany mantsy ry zareo.

Nampiantsoana tany amin’ny Birao Miandraikitra ny Fiantsoana ho Miaramila tany Goranboy aloha i Seymur Mammadov tamin’ny 4 Mey 2022. Nohazavainy tamin’ny manam-pahefana hoe tsy afaka manao miaramila izy noho ny zavatra lazain’ny Baiboly, dia nangataka ny hanao fanompoana sivily izy ho solon’ny raharaha miaramila. Tsy nanaiky ny fangatahan’i Seymur ny manam-pahefana. Na dia teo aza anefa izany dia sahy nijoro tamin’ny heviny ny Rahalahy Seymur.

Migadra any Ganja izao i Seymur. Mafy be ny mahazo azy, nefa mbola falifaly foana izy. Nitantara aza izy hoe nahavita niresaka ny zavatra inoany tamin’ny olona 30, mpiray efitra figadrana aminy. Nilaza mihitsy aza izy fa liana tamin’izay lazain’ny Baiboly ny sasany tamin’ireo.

Nampakatra fitsarana ny mpisolovavan’i Seymur. Enga anie mba hanao ny rariny ny Fitsarana Ambony ao Ganja, ka hamoaka didim-pitsarana manafaka an’io rahalahintsika io any am-ponja.

Tena mbola hanohana an’i Seymur foana i Jehovah mandritra an’izao fitsarana izao, ary tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’izany.​—Isaia 43:2.