Hijery ny anatiny

Rahalahy Royal Karimov sy Seymur Mammadov, any Azerbaïdjan

4 JANOARY 2023
AZERBAÏDJAN

Navoaka ny Fonja Tany Azerbaïdjan ny Rahalahy Royal Karimov sy Seymur Mammadov

Navoaka ny Fonja Tany Azerbaïdjan ny Rahalahy Royal Karimov sy Seymur Mammadov

Nafahana avy tany am-ponja tany Azerbaïdjan ny Rahalahy Royal Karimov sy Seymur Mammadov. Samy tsy nanaiky hanao miaramila ireo rahalahy ireo satria tsy nety tamin’ny feon’ny fieritreretany izany.

Araka ny efa nolazaina tany aloha, dia nangataka ny hanao fanompoana sivily i Seymur nefa tsy neken’ny fitsarana any Azerbaïdjan izany. Voaheloka higadra sivy volana izy tamin’ny 22 Septambra 2022. Fandikana an-kitsirano an’ilay didy anankiroa navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) ho an’i Azerbaïdjan io didy io. Nampakatra fitsarana ambony ny mpisolovavan’i Seymur, dia namoaka didy ny Fitsarana Ambony tany Ganja tamin’ny 12 Desambra 2022 hoe tsy gadraina indray izy fa homena sazy mihantona. Tsy any am-ponja intsony izany izao i Seymur nefa mbola nampakariny any amin’ny Fitsarana Tampon’i Azerbaïdjan ilay raharaha. Mangataka izy hoe hovana ilay didim-pitsarana farany satria mbola tsy rariny.

Tsy nahazo nanana Baiboly i Seymur tamin’izy nigadra sady tsy nahazo nandray taratasy avy any amin’ny havany na ny namany. Nanohana azy foana anefa i Jehovah. Izao no tenin’i Seymur: “Nosoratako tamin’ny taratasy kely ilay andinin-teny ao amin’ny Josoa 1:5, 6, ny omalin’ilay andro nitsarana ahy farany. Voalaza ao hoe: ‘Hoatran’ny nanampiako an’i Mosesy no hanampiako anao. Tsy handao anao aho ary tsy hahafoy anao mihitsy.’” Nampahery an’i Seymur ireo tamin’izy nosamborina sy nentina tany am-ponja. “Ireo foana no novakiko”, hoy izy, “dia lasa nataoko andinin-teny ho an’ny andro mihitsy.”

Nampanantsoin’ny manam-pahefana ho any amin’ny Birao Miandraikitra ny Fiantsoana ho Miaramila tany Gadabay i Royal, tamin’ny 30 Mey 2022. Tsy nanaiky hanao miaramila izy tamin’izay satria tsy nety tamin’ny feon’ny fieritreretany ilay izy, dia nangataka izy hoe hampanaovina fanompoana sivily. Nolavina anefa ny fangatahany. Nosamborin’ny miaramila izy tamin’ny 25 Jolay 2022, dia notazonina tao amin’ny fonja miaramila hatramin’ny 1 Novambra 2022. Tsy mety anefa izany, raha ny lalàna no jerena. Nangataka tamin’izay nanana fahefana momba an’ilay raharaha i Royal mba hanamarina hoe tena tsy nety ny nataon’ny Birao Miandraikitra ny Fiantsoana ho Miaramila tany Gadabay.

Nitantara i Royal hoe: “Natahotra be mihitsy aho tamin’izaho notenenina hoe mijanona ao amin’ilay fonja miaramila. Nataoko tao an-tsaina anefa hoe fitsapana ilay nahazo ahy. Fitsapana ny finoako ilay izy.”

Nahazo nitsidika an’i Royal ny anabaviny tamin’izy nigadra, dia nanome azy Baiboly. Nohazavain’i Royal hoe ilay Baiboly no nanatanjaka ny finoany. Hoy izy: “Kivy aho indraindray, fa amin’iny mihitsy anefa i Jehovah no manome hery ahy. Lasa milamin-tsaina be aho rehefa avy mamaky Baiboly sy mivavaka amin’i Jehovah.”

Hivavaka foana isika mba tsy hogadrain’ny manam-pahefana any Azerbaïdjan intsony izay rahalahintsika tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Hivavaka koa isika mba havelan’ny manam-pahefana any hanao fanompoana sivily ry zareo, hoatran’ny atao any amin’ny firenena maro hafa.​—1 Timoty 2:1, 2.