Hijery ny anatiny

19 MEY 2015
AZERBAÏDJAN

Nohalavaina ny Fotoana Nitanana Am-ponja Tsy Ara-drariny ny Vehivavy Roa

Nohalavaina ny Fotoana Nitanana Am-ponja Tsy Ara-drariny ny Vehivavy Roa

Nitarin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena any Azerbaïdjan ny fotoana nitanana am-ponja vonjimaika an’i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova, izay samy Vavolombelon’i Jehovah. Nampangain’io minisitera io izy roa vavy tamin’ny 17 Febroary 2015, satria hoe nizara boky ara-baiboly nefa tsy nanana “fahazoan-dalana ara-dalàna.” Nanaiky ny hanagadrana azy ireo mandra-pahatongan’ny 17 Jolay ny Fitsaram-paritr’i Sabail tamin’ny 7 Mey 2015. Nolavin’ilay fitsarana ilay fangatahana hoe ambenana ao amin’ny trano iray izy ireo fa tsy gadraina any am-ponja. Nampakatra fitsarana ireo mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny nanagadrana azy roa vavy tsy ara-drariny. Nilaza koa izy ireo fa mampanahy ny fahasalaman’ireo vehivavy ireo ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Mbola manadihady Vavolombelona hafa izao ny manam-pahefana any Azerbaïdjan.