Hijery ny anatiny

24 AOGOSITRA 2018
AZERBAÏDJAN

Melohin’i Azerbaïdjan ny Rahalahintsika Satria Tsy Mety Manao Miaramila

Melohin’i Azerbaïdjan ny Rahalahintsika Satria Tsy Mety Manao Miaramila

Namoaka didim-pitsarana ny Fitsaram-paritr’i Barda any Azerbaïdjan, tamin’ny 6 Jolay 2018, hoe homena sazy mihantona herintaona i Emil Mehdiyev, rahalahintsika. Tsy nogadraina io tovolahy 18 taona io na dia nomelohina ho tsy mety manao miaramila aza. Na izany aza, dia tsy maintsy ampahafantariny amin’ny manam-pahefana foana ny adiresiny raha hifindra trano izy, ary tsy mahazo miala ao Azerbaïdjan izy.

Nampanantsoin’ny Birao Miandraikitra ny Fiantsoana ho Miaramila any amin’ny faritr’i Barda ny Rahalahy Mehdiyev, tamin’ny Desambra 2017. Rehefa tonga tany izy dia tsy nety nanao miaramila, satria tsy mety amin’ny eritreriny izany. Nampanantsoina indray izy, ary nohazavainy hoe tsy mety amin’ny eritreriny ny hanao miaramila ka mangataka ny hampanaovina fanompoana sivily izy. Nilazana anefa izy hoe mbola tsy misy an’izany fa halefa any amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna any Barda ny raharaha momba azy.

Rehefa avy nivezivezy imbetsaka teny amin’ny fitsarana izy dia nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Barda ary nomeny sazy mihantona. Na tsy nogadraina aza i Emil dia heverina ho toy ny mpanao heloka bevava, ary tsy misy azony atao amin’izany. Mbola tsy tafapetraka any Azerbaïdjan mantsy ny fanaovana fanompoana sivily na dia efa ela aza io firenena io no nampanantena fa hanao an’izany.

Faly isika fa mahavita tsy mivadika ny Rahalahy Mehdiyev, na izany aza no mahazo azy.—1 Petera 2:19.