Hijery ny anatiny

26 MEY 2014
AZERBAÏDJAN

Mitaky ny Rariny any Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan

Mitaky ny Rariny any Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan

Alahady maraina tamin’izay. Nivory mba hihaino lahateny ara-baiboly tao amin’ny trano iray any Bakou, any Azerbaïdjan, ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy 200 teo ho eo.

Niditra an-keriny ny polisy, ary nisy manam-pahefana hafa sy mpaka sarin’ny tele niaraka tamin’izy ireo. Namono maso ny jiro mazava be tamin’ireo kamerà. Tsy vitan’ny hoe nanapaka an’ilay fotoam-pivavahana fotsiny ny polisy fa nikasi-tanana an’ireo lehilahy koa. Nanao fisavana tsy misy fahazoan-dalana izy ireo ary nanompa an’ireo mpanatrika. Nalain’izy ireo ny vola, sy ny ordinatera, ary ireo boky ara-baibolin’ny fiangonana. Nisy Vavolombelona maro nentina tany amin’ny paositry ny polisy ary notazonina nandritra ny ora maro. Nisy mpitory vahiny enina koa notazonina nandritra ny andro maromaro, ary avy eo nalefa nody tany amin’ny taniny. Nanala baraka ny Vavolombelona ny namoahan’ny tele an’io vaovao io.

Iny zava-nitranga tamin’ny 24 Desambra 2006 iny no antony voalohany nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah an’i Azerbaïdjan tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Nisy fitoriana 18 fanampiny momba ny fanitsakitsahana ny fahalalahana ara-pivavahana koa nampidirin’ny Vavolombelona tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina.

ANTON’NY FITORIANA

TONTALINY

Fanafihan’ny Polisy

5

Fanoratana Ara-panjakana

1

Fampiharana ny Zavatra Inoana

2

Sivana Amin’ireo Boky sy Gazety

5

Fampodiana an’ireo Vahiny

3

Fandavana Tsy Hanao Miaramila

3

Tontaliny

19

Fitoriana an’i Azerbaïdjan tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 31 Janoary 2014

Asongadin’ireto ohatra ireto ny zavatra manjo ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan, izay mahatonga azy ireo hitaky ny rariny any amin’ny Fitsarana Eoropeanina:

  • Tsy ekena hosoratana ara-panjakana

    Voasoratra ara-panjakana voalohany ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Bakou tamin’ny 22 Desambra 1999. Naverina nosoratana tany amin’ny Komitim-panjakana Misahana ny Fikambanana Ara-pivavahana indray izy io tamin’ny 7 Febroary 2002. Novan’ny fitondrana any Azerbaïdjan ny lalàny mahakasika ny Fahalalahana Momba ny Zavatra Inoana Ara-pivavahana tamin’ny 2009. Nasainy niverina nisoratra ara-panjakana koa ny fivavahana rehetra tany. Nandefa fangatahana ny Vavolombelon’i Jehovah nefa nolavin’ilay komity satria misy tsy mety, hono, ilay fangatahana. Tsy manaiky an’ilay fanoratana ara-panjakana mifanaraka amin’ilay lalàna vaovao ny fitondrana, na dia tsy nofoanany aza ilay fanoratana tamin’ny 2002.

  • Ampijalin’ny polisy sy enjehiny

    Mivory isan-kerinandro any an-tranon’olona ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao fotoam-pivavahana. Imbetsaka ny polisy no niditra an-keriny tany amin’ireny trano ireny sy nanapaka an’ireo fotoam-pivavahana, nefa tsy nahazo alalana akory. Nampijalin’izy ireo sy notazoniny nandritra ny ora maro tany amin’ny paositry ny polisy ireo mpanatrika. Nalainy koa ny boky ara-pivavahana nampiasain’izy ireo. Nampandoavina lamandy mihoa-pampana ny Vavolombelona sasany. Nomelohina ny Vavolombelona enina tany Ganja, tamin’ny 2011, ary nasaina nandoa lamandy 12000 dolara eo ho eo (28235200 ariary eo ho eo), satria nanatrika fotoam-pivavahana tsy nahazoana alalana tamin’ny fanjakana, hono. Tamin’ny 11 Janoary sy 2 Martsa 2014 ny bemidina vao haingana indrindra nataon’ny polisy.

  • Sivanina ireo Boky

    I Azerbaïdjan irery no firenena mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina a nametraka rafitra manery ny hanaovana sivana an’ireo boky ara-pivavahana. Mifanohitra amin’ny lalàm-panorenana any anefa izany. b Mety hoferana ny habetsahan’ny boky ara-baiboly hafaran’ny Vavolombelona avy any amin’ny firenena hafa mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina, na horarana rehefa avy nosivanina. Anisan’ny boky voarara ny laharana maro amin’ny Tilikambo Fiambenana, izay gazety ara-pivavahana avoakan’ny Vavolombelona indroa isam-bolana. c Nolavin’ny fitsarana azerbaijaney ny fitarainan’ny Vavolombelona momba ny sivana ataon’ny Komitim-panjakana Misahana ny Fikambanana Ara-pivavahana.

Manara-maso ny fomba itondran’i Azerbaïdjan ny fikambanana ara-pivavahana izao tontolo izao

Maro ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona nandinika ny lalàna ara-pivavahan’i Azerbaïdjan sy ny fomba itondrany ny fikambanana ara-pivavahana. Nazava ny fanamarihana nataon’izy ireo.

  • Hoy ny Tatitra Isan-taona Fanaon’ny Vaomieran’i Etazonia ho An’ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany, tamin’ny 2013: “Milaza ho manome fahalalahana ny fitondrana azerbaijaney, nefa vao mainka nihatsy nisy ny fahalalahana ara-pivavahana, indrindra taorian’ny namoahana an’ilay lalàna ara-pivavahana maneritery tamin’ny 2009.”

  • Hita amin’ny tatitra nataon’ny Vaomiera Eoropeanina Miady Amin’ny Fanavakavaham-bolon-koditra sy ny Didy Jadona fa tena mampanahy azy ny fanakantsakanana atao amin’ireo fikambanana ara-pivavahana. Hoy izy momba ny lalàna ara-pivavahan’i Azerbaïdjan: ‘Ampirisihinay mafy ny fitondrana azerbaijaney mba hampifanaraka ny lalàny amin’ny zavatra takin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.’

  • Nanome soso-kevitra amin’ny an-tsipiriany ny Vaomieran’i Venise ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina, mba hanovana ny lalàna mahakasika ny Fahalalahana Momba ny Zavatra Inoana Ara-pivavahana any Azerbaïdjan. Hoy izy: ‘Toa maro ny zavatra maneritery ao amin’ilay Lalàna, izay mifanohitra amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Tokony hamboarina ireo fitsipika mifehy ny raharaha lehibe toy ny hoe hatraiza no hampiharana ny lalàna ary iza avy no manana zo hanaraka ny fivavahana tiany sy ny feon’ny fieritreretany. Eo koa ny momba ny fanoratana ara-panjakana, ny fahaleovan-tena sy ny fanafoanana fikambanana ara-pivavahana, ny tsy fanaovana miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena, ary ny famoahana sy ny fanelezana boky ara-pivavahana.’

Fahalalahana sarobidy

Tena sarobidy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ny hoe afaka maneho hevitra, mivory an-kalalahana, miaraka amin’ny namana, ary manaraka ny feon’ny fieritreretany sy ny fivavahany. Ankasitrahan’izy ireo ny fitondram-panjakana manome azy an’ireo zo ireo. Manantena ireo Vavolombelona 2500 sy ireo mpiara-mivavaka amin’izy ireo any Azerbaïdjan fa mbola hahazo fahalalahana ara-pivavahana toa an’ireo fivavahana hafa any izy ireo.

a Lasa mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina i Azerbaïdjan tamin’ny 25 Janoary 2001.

b Miaro ny fahalalahana ara-pivavahana ny Andininy faha-48, ary mandrara ny sivana amin’ny fampitam-baovao ny Andininy faha-50.

c Mamoaka Ny Tilikambo Fiambenana, gazety ho an’ny besinimaro, ny Vavolombelon’i Jehovah isam-bolana, ary mizara an’izany mba hanazavana an’izay ampianarin’ny Baiboly. Mampiasa gazety fianarana koa izy ireo mba hianarany Baiboly isan-kerinandro any amin’ny fiangonany. Ny Tilikambo Fiambenana no gazety miely indrindra eran-tany, satria 60000000 eo ho eo no indray mivoaka isaky ny laharana, amin’ny fiteny 200 mahery.