Hijery ny anatiny

8 DESAMBRA 2015
AZERBAÏDJAN

Asain’ny ONU Ambenana any An-tranony i Irina Zakharchenko fa Tsy any Am-ponja

Asain’ny ONU Ambenana any An-tranony i Irina Zakharchenko fa Tsy any Am-ponja

Nandefa fangatahana maika ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, tamin’ny 3 Desambra 2015. Nangatahin’io komity io ny fanjakana any Azerbaïdjan mba hanala haingana an’i Irina Zakharchenko any am-ponja ka “hiambina azy ao an-tranony na any amin’ny toerana hafa mety.” Miharatsy mantsy ny fahasalamany.

Efa folo volana izay i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova, izay samy Vavolombelon’i Jehovah, no notanana am-ponja vonjimaika. Amin’ny 10 Desambra 2015 no hatomboka ny fitsarana azy roa vavy, ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Bakou Pirallahi. Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy ireo satria nizara boky ara-pivavahana sy nitory momba ny zavatra inoany nefa “tsy nahazo alalana.”