Hijery ny anatiny

17 DESAMBRA 2018
AZERBAÏDJAN

Nampakatra ny Raharaha any Amin’ny Fitsarana Tampony Ireo Rahalahy any Azerbaïdjan

Nampakatra ny Raharaha any Amin’ny Fitsarana Tampony Ireo Rahalahy any Azerbaïdjan

Nanamafy ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny Fitsarana Ambony tany Ganja, any Azerbaïdjan, tamin’ny 31 Oktobra 2018. Nomelohina ny Rahalahy Vahid Abilov, izay 19 taona, satria tsy nety nanao miaramila. Na tsy nogadraina aza i Vahid dia nahazo sazy mihantona herintaona ka voafehifehy be ny fiainany. Tsy maintsy mankany amin’ny manam-pahefana foana, ohatra, izy isan-kerinandro ary tsy mahazo miala any Azerbaïdjan. Hampakarin’i Vahid any amin’ny Fitsarana Tampony ilay raharaha, ary izay sisa no azony atao ao Azerbaïdjan.

Efa tamin’ny Mey 2017 no nanomboka ny olana mahazo an’io rahalahintsika io. Taloha kelin’izay izy no feno 18 taona ary tsy maintsy niseho tany amin’ny Birao Miandraikitra ny Fiantsoana ho Miaramila ho an’ny faritr’i Aghdam. Nentiny tany ny taratasy nosoratany, izay manazava hoe tsy afaka manao miaramila izy. Izao no nosoratany tao: “Mianatra Baiboly aho dia enjehin’ny eritreritro raha manao miaramila. Tsy mandositra ny adidiko amin’ny fiaraha-monina aho sady tsy mieritreritra ny hanao an’izany koa. Miangavy anareo kosa aho mba hamela ahy hanao fanompoana sivily fa tsy hanao miaramila.” Tsy neken’ny manam-pahefana ny fangatahan’i Vahid. Nomelohina izy tamin’ny 9 Jolay 2018 satria hoe mandositra adidy ka tsy mety manao miaramila.

Nanazava bebe kokoa ny antony tsy anaovany miaramila ny Rahalahy Abilov, tamin’izy notsaraina tao amin’ny Fitsarana Ambony tany Ganja. Novakiny ny Isaia 2:4 ary nohazavainy hoe rehefa nandinika tsara ny Baiboly izy dia resy lahatra fa “tsy tokony hianatra ady akory.” Nomelohin’ilay fitsarana ihany anefa izy. Mbola ho hita eo na hanaiky ny fangatahany ny Fitsarana Tampony na tsia.

Mbola tsy nametraka lalàna ahafahan’ny olona manao fanompoana sivily ihany i Azerbaïdjan, na dia efa nanaiky hanao an’izany aza, tamin’izy niditra ho anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina, tamin’ny 2001. Voatery manazava foana àry ny rahalahintsika hoe tsy manao miaramila izy ireo satria tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany izany. Nomelohin’ny fitsaram-paritra iray any Azerbaïdjan koa ny Rahalahy Emil Mehdiyev, tamin’ny voalohandohan’ity taona ity, satria hoe mandositra adidy ka tsy mety manao miaramila. Nomena sazy mihantona herintaona izy, vokatr’izany. Nampakariny any amin’ny Fitsarana Tampony koa ilay raharaha. Ankoatra an’ireo, dia efa mipetraka any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny raharaha efatra mahakasika ny rahalahintsika any Azerbaïdjan. Tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany koa izy ireo. Na mahita olana aza ny rahalahintsika dia mitoky amin’i Jehovah foana ary tapa-kevitra ny tsy hanao miaramila mihitsy.—Jaona 15:19.