Hijery ny anatiny

28 JANOARY 2016
AZERBAÏDJAN

Nafahana Ihany i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova Rehefa avy Nogadraina Tsy Ara-drariny

Nafahana Ihany i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova Rehefa avy Nogadraina Tsy Ara-drariny

Nafahana tamin’ny 28 Janoary 2016 i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova, rehefa avy nigadra 11 volana. Nomelohin’ilay mpitsara atao hoe Akram Gahramanov izy ireo ary nasainy nandoa vola be ho sazy (7000 manat, izany hoe 3932 euros), satria fotsiny hoe nizara bokikely ara-baiboly iray. Nofoanany avy eo ilay sazy satria efa tamin’ny 17 Febroary 2015 izy ireo no notanana am-ponja. Tsy noraharahain’ilay fitsarana ny tenin’ny ONU izay nandidy an’i Azerbaïdjan hanome onitra azy roa vavy noho izy ireo nogadraina tsy ara-drariny.

Na dia mbola tsy salama tsara aza Rtoa Zakharchenko sy Rtoa Jabrayilova, dia faly izy ireo satria nafahana. Efa any an-tranony miaraka amin’ny fianakaviany izy ireo izao.