Hijery ny anatiny

Tsy nisy afa-tsy iray ny Efitrano Fanjakana tany amin’ny Nosy Great Abaco, any Bahamas, nefa simba tamin’ilay Rivo-doza Dorian tamin’ny 2019 ilay izy. Notokanana vao haingana ilay Efitrano vaovao

26 JANOARY 2023
BAHAMAS

Fitokanana Efitrano Fanjakana Naverina Naorina any Bahamas

Fitokanana Efitrano Fanjakana Naverina Naorina any Bahamas

Manao lahateny fitokanana ny Rahalahy Mark Sanderson

Nitokana Efitrano Fanjakana iray tany amin’ny Nosy Great Abaco, any Bahamas, ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 7 Janoary 2023. Simba tamin’ilay Rivo-doza Dorian tamin’ny Septambra 2019 io Efitrano io dia naverina naorina. Roatokombolana talohan’ny hahavitan’ilay Efitrano, tamin’ny Martsa 2020, dia tapaka ilay tetikasa satria nisy an’ilay valanaretina COVID-19. Niverina namita an’ilay tetikasa ny mpiasa an-tsitrapo mpanao fanorenana tamin’ny 2021.

Nafana fo ny Rahalahy Sanderson nilaza an’izao, tamin’ilay lahateny fitokanana: “Rehefa namely ny nosy ilay rivo-doza dia be dia be ny zavatra simbany, fa tsy nahavita nanimba ny finoanareo anefa ilay izy sady tsy nanimba ny fifandraisanareo tamin’Andriamanitra.”

Mahatanty rivo-doza io Efitrano io, ary io irery no Efitrano Fanjakana ao amin’ilay nosy. Mpitory 49 avy amin’ny fiangonana roa no mampiasa azy io: Fiangonana miteny anglisy ny iray, dia fiangonana miteny kreôla any Haïti ny iray. Nisy 175 no nanatrika nivantana an’ilay fandaharana ary 167 no nanaraka tamin’ny Internet. Azo notsidihina koa ilay Efitrano tamin’ilay fandaharana fitokanana, ka afaka nitsidika daholo na ny Vavolombelona na ny tsy Vavolombelona.

Anisan’ny mpiasa an-tsitrapo nanao fanorenana ny Rahalahy Jake Majure rehefa tsy maintsy najanona ilay fanampiana tra-boina. Nilaza izy hoe: “Nampalahelo be mihitsy ilay izy. Namboarinay faran’izay haingana ny tranon’ny mpiara-manompo dia efa nieritreritra hamita an’ilay Efitrano izahay mba vonona ho amin’ny Fahatsiarovana ilay izy. Tamin’izay mihitsy anefa no tapaka ilay tetikasa.” Afaka niverina namita an’ilay Efitrano Fanjakana sy ny trano hafa simba ny Rahalahy Jake Majure tamin’ny 2021.

Nahafinaritra ny fitokanana an’ilay Efitrano Fanjakana

Nilaza ny Rahalahy Sanderson hoe: “Ity Efitrano Fanjakana ity no mampiseho hoe mahay miara-miasa ny vahoakan’i Jehovah sady mifankatia. Tena faly aho tonga eto, amin’izao Janoary 2023 izao, dia mahita an’ity Efitrano Fanjakana vaovao ity sy ny hafalian’ny mpiara-manompo! Tena mahafinaritra sady miavaka ny andro androany.”

Matoky isika fa tena hahazo dera be mihitsy i Jehovah Andriamanitsika noho io Efitrano Fanjakana naverina naorina io.​—Ezra 3:10.