Hijery ny anatiny

8 DESAMBRA 2020
BOLIGARIA

Nanome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Boligaria ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Nanome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Boligaria ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 10 Novambra 2020, fa nanitsakitsaka ny zon’ireo rahalahintsika hanaraka izay fivavahana tiany ny fanjakana any Boligaria. Araka io didy io, dia tokony havelan’ny manam-pahefana hotohizina ny fanorenana an’ilay Efitrano Fanjakana ao Varna, any Boligaria. Efa folo taona mantsy izay no nisy nanohitra ny fanorenana an’io Efitrano Fanjakana io, dia tsy vita hatramin’ny farany ilay izy. Ankoatra izay, dia nasain’ny CEDH nandoa onitra 9 600 euros (43 700 000 ariary eo ho eo) tamin’ireo rahalahintsika ny fanjakana any Boligaria.

Nividy tany hanorenana Efitrano Fanjakana ireo rahalahintsika tamin’ny Janoary 2006. Nahazo alalana avy amin’ny manam-pahefana tao Varna ry zareo tamin’ny Mey 2007, ka natomboka avy hatrany ilay tetikasa. Nasain’ny ben’ny tanàna natsahatra anefa ilay izy ny volana Jolay, satria nolazainy fa tsy nanara-dalàna ilay fanorenana. Tamin’iny volana iny ihany dia nisy antoko politika malaza iray any Boligaria nametaka afisy teo amin’ilay toerana hanaovana fanorenana, sady nitaona olona hanao fihetsiketsehana mba hanoherana an’ilay tetikasa.

Voalazan’ilay didy navoakan’ny CEDH fa nanao fanambarana mba hanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana tao Varna taorian’izay, sady “nampiseho miharihary hoe nanohana an’ilay fihetsiketsehana.” Nilaza fa nanohana tanteraka an’ilay fihetsiketsehana koa ny ben’ny tanàna tamin’ny valandresaka nataony ho an’ny mpanao gazety.

Hita be hoe tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ny ben’ny tanàna sy ny manam-pahefana hafa tao Varna. Mody nolazain-dry zareo anefa fa tsy resaka fanavakavahana fivavahana no antony nanajanonana an’ilay fanorenana. Tsy nanaja ny fenitra takin’ny fanjakana, hono, ilay fanorenana ka lasa niteraka adihevitra be.

Nampakarin’ireo rahalahy tany amin’ny fitsarana ambony maromaro any Boligaria ilay raharaha, anisan’izany ny Fitsarana Tampony Momba ny Raharaham-panjakana, nefa mbola tsy nahazo rariny ihany izy ireo. Nisy fotoana, tsy maintsy nanofa toerana hanaovana fivoriana ilay fiangonana tany.

Nilaza ny CEDH fa tsy ara-drariny mihitsy ny zavatra nataon’ny manam-pahefana tao Varna. Manana “zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana” ny olona, araka ny Andininy Faha-9 sy 11 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Mpitsara fito no nandinika an’ilay raharaha, ka ny enina tamin’ireo dia samy nanaiky fa nanitsakitsaka an’izany zo izany ny manam-pahefana tao Varna rehefa nisakana an’ilay fanorenana Efitrano Fanjakana.

Manantena ireo rahalahintsika fa hanaraka an’io didy navoakan’ny CEDH io ny manam-pahefana ao Varna, ka hamela azy ireo hamita ny fanorenana ny toeram-pivavahan’izy ireo. Tena hahasoa ny fiaraha-monina mantsy io toeram-pivavahana io sady hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah, ao amin’ny tanànan’i Varna. Tena misaotra an’i Jehovah isika satria manohana antsika foana izy.​—Salamo 54:4.