Hijery ny anatiny

BOLIGARIA

Fotoana Niavaka Tany Boligaria

Fotoana Niavaka Tany Boligaria
  1. 19 MEY 2004: Neken’ny CEDH ny marimaritra iraisana tamin’ilay raharaha Lotter sy Lotter miady amin’i Boligaria; nohamafisin’ny fitondrana fa manana zo ara-dalàna hanaraka ny fivavahany ny Vavolombelona ary afaka miresaka ny finoany an-kalalahana

  2. 16 APRILY 2003: Neken’ny fitondrana ho fetin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny andron’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ka afaka tsy miasa ny Vavolombelona amin’io andro io

  3. 6 MARTSA 2003: Naverina nosoratana ara-panjakana indray ny Vavolombelon’i Jehovah, mifanaraka amin’ilay Lalàna Vaovao Momba ny Antokom-pivavahana

  4. 3 MEY 2001: Neken’ny CEDH ny marimaritra iraisana tamin’ny raharaha momba ny Vavolombelon’i Jehovah iray (Stefanov miady amin’i Boligaria); nomen’ny fitondrana famotsoran-keloka izay nogadraina noho izy tsy nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ka vonona hanao fanompoana sivily

  5. 7 OKTOBRA 1998: Voasoratra ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah any Boligaria

  6. 9 MARTSA 1998: Neken’ny fitondrana tany Boligaria hoe fivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, mifanaraka amin’ny marimaritra iraisana neken’ny Vaomiera Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (lasa hoe Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona [CEDH])

  7. 1994: Nolavin’i Boligaria ny hanoratana ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-panjakana, rehefa avy nametraka lalàna momba ny fivavahana ny fitondrana

  8. 7 MEY 1992: Tafiditra ho fanjakana faha-26 mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina i Boligaria

  9. 17 JOLAY 1991: Nosoratan’ny Fanjakana ho ara-panjakana ilay fikambanana ara-dalànan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Fikambanana Kristianin’ny Vavolombelon’i Jehovah

  10. 1944-1990: Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra fitondrana Kominista

  11. 6 MAY 1938: Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah

  12. 1888: Niresahana voalohany momba ny Vavolombelon’i Jehovah tany Boligaria