Hijery ny anatiny

BOLIGARIA

Topy Maso An’i Boligaria

Topy Maso An’i Boligaria

Efa hatramin’ny 1888 no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Boligaria. Nekena ho fikambanana ara-dalàna izy ireo tamin’ny 1938. Niova anefa izany rehefa ny Kominista no nitondra, tamin’ny 1944. Nenjehina mafy izy ireo hatramin’ny 1991. Tamin’izay mantsy vao nekena ho ara-dalàna indray ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Voarara indray anefa ny fivavahan’izy ireo sy ny fivavahana hafa heverin’ny olona hoe madinika, tamin’ny 1994. Te hiaro ny fivavahana nahazatra azy ireo hatramin’izay mantsy ny olona tany, ka nanao hetsika mba hanaratsiana an’izay fivavahana nisy tatỳ aoriana. Nampiharina koa ny lalàna iray nanakantsakana ny fivavahana. Nosamborin’ny polisy àry ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’izay, sady nokorontanin’izy ireo ny fotoam-pivavahany, ary nalainy an-keriny ny boky sy gazetiny. Tsy mba niaro azy ireo akory anefa ny fitsarana any Boligaria.

Efa nampakarin’ny Vavolombelona tany amin’ny fitsarana isan-karazany eo an-toerana ilay raharaha, nefa niala maina izy ireo. Voatery nampakarina tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) àry ilay izy. Neken’ny CEDH, tamin’ny 1998 sy 2001 ary 2004, fa afaka manao raharaham-pihavanana ny Vavolombelona sy ny fanjakana any Boligaria. Neken’ny fanjakana ho fivavahana ara-dalàna indray àry ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa avy nanao raharaham-pihavanana. Lasa afaka manaraka izay fivavahana tiany izy ireo. Tsy voatery hanao miaramila izy ireo raha tsy eken’ny eritreriny izany, fa afaka manao fanompoana sivily kosa ho solon’izany. Azony atao koa ny miresaka ny zavatra inoany amin’ny hafa, ary tsy tokony hisy hanakana azy amin’izany.

Velom-pisaorana ny Vavolombelon’i Jehovah any Boligaria, satria tsy mandrara ny fivavahan’izy ireo intsony ny fanjakana sady manome alalana azy ireo hitory. Ny manam-pahefana sasany eo an-toerana anefa te handrara an’ilay asa fitoriana, ka mandika vilana ny hevitry ny lalàna mba hanakanana azy ireo. Misy indray tsy mety manome fahazoan-dalana hanamboaran’izy ireo efitrano fivoriana. Ny olona sasany aza mikasi-tanana sy mampihorohoro ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Marina fa manampy kely ihany ny polisy. Matetika anefa no tsy mba manasazy an’ireo olona mampijaly ireo mihitsy izy ireo, no sady tsy miaro an’ireo Vavolombelona koa. Mbola miezaka mifampiraharaha amin’ny manam-pahefana eo an-toerana ny Vavolombelona hatramin’izao. Nangataka alalana hanorina efitrano fivoriana iray izy ireo, ary efa nampakariny any amin’ny CEDH ilay izy. Mbola miandry valiny izy ireo hatramin’izao.