Hijery ny anatiny

Anabavy mampiseho an’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! amin’ny mpitsidika. Aseho eo aoriana eo ny fonon’ilay gazety Ny Tilikambo Fiambenana hoe “Aretin-tsaina​—Manampy ve ny Baiboly?”

19 SEPTAMBRA 2023
BOLIVIA

Nahaliana ny Olona Manokana ny Resaka Aretin-tsaina Tamin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky tany Bolivia

Nahaliana ny Olona Manokana ny Resaka Aretin-tsaina Tamin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky tany Bolivia

Natao tany Santa Cruz de la Sierra, any Bolivia, ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky any Santa Cruz, tamin’ny 31 Mey ka hatramin’ny 11 Jona 2023. Olona 120 000 mahery no nitsidika an’ilay foara. Nanana trano heva tao amin’ilay izy ny rahalahintsika, dia ilay gazety Ny Tilikambo Fiambenana No. 1 2023 hoe “Aretin-tsaina​—Manampy ve ny Baiboly?” no nasongadin-dry zareo tao.

Ny Tilikambo Fiambenana No. 1 2023, mitondra ny lohateny hoe “Aretin-tsaina​—Manampy ve ny Baiboly?”, amin’ny teny espaniola

Rahalahy sy anabavy 200 teo ho eo no nikarakara an’ilay trano heva nandritra an’ilay foara, dia olona 20 000 mahery no nitsidika an’ilay izy. Nisy efijery nampiseho video avy ao amin’ny tranonkalantsika teo amin’ilay izy, dia natoro an’izay nitsidika koa hoe ahoana no hikarohana foto-kevitra isan-karazany ao amin’ny jw.org. Boky sy gazety 5 500 teo ho eo no voazara, dia video 600 teo ho eo no naseho an’izay nitsidika. Ankoatra an’izay, dia olona 45 avy nitsidika teo no nameno an’ilay fangatahana hianatra Baiboly ao amin’ny jw.org.

Rehefa nahita an’ilay foto-kevitra teo amin’ny trano hevantsika ny vehivavy iray, dia nanatona anabavy iray izy. Nanazava ilay vehivavy hoe miady mafy amin’ny aretin-tsaina sy amin’ny olana ara-pihetseham-po ny mamany. Nilaza koa izy hoe na izy koa aza miady saina be foana sady voan’ny dépression. Nampian’ilay anabavy izy mba haka an’ilay gazety Ny Tilikambo Fiambenana momba ny aretin-tsaina sy ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, tao amin’ny telefaoniny. Tonga koa ilay vehivavy dia nameno fangatahana hianatra Baiboly tao amin’ny jw.org.

Rahalahy sy anabavy maromaro maka sary ao anatin’ilay trano heva tamin’ilay Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky

Rehefa nahazo an’ilay gazety Ny Tilikambo Fiambenana momba ny aretin-tsaina tao amin’ilay foara ny psikology iray, dia niteny hoe: “Hasehoko an’izay marary tonga ao amiko izao io lahatsoratra io. Tena hahasoa an-dry zareo na ilay lahatsoratra na ny andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly resahina ao.” Nisy vehivavy vao maty mama vao haingana koa nandalo teo amin’ilay trano heva, dia naseho azy ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Maty ny Dadanao na ny Mamanao?” ao amin’ilay fizarana hoe “Fiadanan-tsaina sy Fahasambarana”, ao amin’ny jw.org. Nampahery azy izany.

Be dia be mihitsy ny olona miady amin’ny aretin-tsaina sy ny olana ara-pihetseham-po amin’izao. Tena faly ny rahalahy sy anabavintsika any Bolivia nanampy an’ireny olona ireny sy ny olon-kafa mba hahita ny torohevitra mahasoa avy amin’i Jehovah voarakitra ao amin’ny Baiboly. Mampionona an’ireny olona ireny mantsy izany.​—Salamo 34:18.