Hijery ny anatiny

Ilay biraon’ny sampana tany Rio de Janeiro tamin’ny 1923 sy ilay biraon’ny sampana any Cesário Lange amin’izao

7 MARTSA 2023
BREZILA

Betelan’i Brezila: Efa 100 Taona Niandraiketana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Betelan’i Brezila: Efa 100 Taona Niandraiketana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Feno 100 taona tamin’ity taona 2023 ity no nisian’ny biraon’ny sampan’i Brezila. Hita hoe tahin’i Jehovah ny asan’ny vahoakany any hatramin’izay ka hatramin’izao satria nitombo foana ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany.

Efa taloha kelin’ny taona 1900 no nisy olona nitory ny vaovao tsara tany Brezila. Nizara an’ilay gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (anglisy) ry zareo tamin’izany. Nihabetsaka ny olona liana tamin’io gazety io. Nirahin’ny Rahalahy J. F. Rutherford ho any àry ny Rahalahy George Young tamin’ny Martsa 1923, mba hanangana biraon’ny sampana sy handamina ny asa fitoriana.

Trano kely tao Rio de Janeiro no nohofan’ny Rahalahy Young. Io no biraon’ny sampana voalohany tany Brezila tamin’izany sady niandraikitra an’i Amerika Atsimo iray manontolo mihitsy. Nataon’ny Rahalahy Young koa izay handikana ny boky sy gazetintsika avy tamin’ny teny anglisy ho amin’ny teny portogey, dia mpanao pirinty tany Brezila ihany no nasainy nanao pirinty an’izay vita.

Lasa misionera tany Arzantina ny Rahalahy Young tamin’ny 1925, dia ny Rahalahy John Rainbow no voatendry ho mpiandraikitra ny sampana tao amin’ilay Betela kely tany Brezila. Nandefa milina kely fanaovana pirinty ho an-dry zareo ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brooklyn, any Etazonia, tamin’ny 1926, dia ny rahalahy tany Brezila amin’izay avy eo no nanao pirinty ny gazetiny sy ny bokikeliny.

Lasa nisy misionera avy nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada koa nalefa mba hanatevin-daharana ny asa fitoriana tany Brezila, nanomboka tamin’ny 1945. Tena notahin’i Jehovah ry zareo satria nitombo be ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Arivo ny isany tamin’ny 1948 nefa lasa 50 000 tamin’ny 1968. Tato anatin’ny telo taona farany fotsiny aza, mpitory 21 000 mahery isan-taona no natao batisa. Efa 900 000 eo ho eo izao ny mpitory ny vaovao tsara any. Tsy maintsy nohavaozina sy nohalehibeazina imbetsaka àry ny Betelan’i Brezila. Nafindra tany Cesário Lange ny biraon’ny sampana tamin’ny 1980. Any amin’ny 150 kilaometatra eo ho eo miala eo São Paulo izany. Efa nitarina intelo ilay trano ao Cesário Lange taorian’izay. Rahalahy sy anabavy 1 200 mahery izao no miasa ao amin’izao.

Faly be isika satria notahin’i Jehovah foana ny asa fitoriana any Brezila nandritra an’izay 100 taona izay.​—1 Korintianina 3:7.