Hijery ny anatiny

Havia: Rahalahy Nathan Knorr mitsidika ny biraon’ny sampana any Rio de Janeiro (Aprily 1949). Havanana: Rahalahy Knorr manao lahateny amin’ny fivoriambe iray any São Paulo (9-10 Aprily 1949)

22 JONA 2022
BREZILA

Efa 75 Taona Izay ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila no Nekena ho Ara-dalàna

“Tsy Nihena Mihitsy ny Finoanay sy ny Zotom-ponay ary ny Fatokisanay An’i Jehovah”

Efa 75 Taona Izay ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila no Nekena ho Ara-dalàna

Nosoratan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila tany amin’ny fanjakana ny Sociedade Torre de Vigia de Bíblias e Tratados (Watch Tower Bible and Tract Society) tamin’ny 23 Jona 1947. Io no fikambanana ara-dalàna tena nampiasaina tany, tao anatin’izay 75 taona izay. Niady mafy nandritra ny taona maro ny rahalahintsika vao nekena ho ara-dalàna izy io.

Nangataka sonia tamin’ny olona ny mpitory tany Brezila tamin’ny 13 Oktobra 1945 mba hanohanana ny fangatahantsika hoe hekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpitory 400 teo ho eo eran’i Brezila no nandeha nanangona sonia, dia sonia 44 411 no voangon-dry zareo. Nalefan-dry zareo tany amin’ny prezidà ilay fangatahana saingy tsy nisy valiny.

Niova ny lalàm-panorenana tany Brezila tamin’ny 1946, dia lasa azo nosoratana ho ara-dalàna ny Watch Tower Bible and Tract Society. Mpitory 442 teo ho eo isam-bolana no nitory eran’i Brezila tamin’io taona io.

Tsy nahafaly ny mpitondra fivavahana anefa hoe nekena ho ara-dalàna ilay fikambanana. Telo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 3 Novambra 1949, dia notaomin-dry zareo ny prezidàn’i Brezila mba hanao sonia didy iray mampitsahatra ny asan’ny Watch Tower Society sy manakatona azy io. Nampakarin’ireo rahalahy teny amin’ny fitsarana àry ny raharaha. Tamin’ny 8 Aprily 1957 ilay raharaha ara-pitsarana vao vita. Prezidà vaovao no nitondra tamin’izay, dia namoaka didy nanome rariny ny Watch Tower Bible and Tract Society izy.

Notahin’i Jehovah foana ny asa fitoriana, raha mbola teo am-pikarakarana an’ireny raharaha ireny ny rahalahintsika. Izao no nolazain’ny Rahalahy Djalma Mendes Souto, izay natao batisa tamin’ny 1941 ary anisan’ny mpikambana voalohany tao amin’ny Watch Tower Society tany Brezila: “Tsy nihena mihitsy ny finoanay sy ny zotom-ponay ary ny fatokisanay an’i Jehovah, dia nitombo foana ny isan’ny mpitory. Faly be izahay tamin’ny 1947 satria sambany vao nahatratra 1 000 mahery ny isan’ny mpitory!”

Nitombo be foana ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brezila taorian’izay. Nahatratra 913 479 ny isan’ny mpitory tany tamin’ny 2021, ary 2 184 856 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nadika tamin’ny fiteny 15 ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Manome Hery ny Finoana!”, ary fitenim-paritra ny 10 tamin’izany.

Mampahery antsika ny mahalala hoe tahin’i Jehovah foana ny asa any Brezila. Matoa ny rahalahintsika any mahavita miaritra na dia misy raharaha ara-pitsarana saro-bahana aza, dia midika izany fa mamonjy an’izay manantena azy i Jehovah.​—Isaia 25:9.