Hijery ny anatiny

Ankavia: Ny sampan’i Brezila any ivelan’ny tanànan’i São Paulo. Ankavanana: Mpiasa an-tsitrapo mandray anjara amin’ilay fanavaozana ny sampan’i Brezila

6 MEY 2022
BREZILA

Efa Manomboka ny Fanavaozana ny Sampan’i Brezila

Efa Manomboka ny Fanavaozana ny Sampan’i Brezila

Efa manomboka ny tetikasa fanavaozana ny sampan’i Brezila, any amin’ny 140 kilaometatra any andrefan’ny tanànan’i São Paulo. Ny tanjona dia hoe hohatsaraina ireo tranon’ny Betela ary hosoloana izay fitaovana efa antitra. Tsy moramora ilay hoe manavao trano efa ampiasaina. Mila alamina mialoha sy arindra tsara ny zava-drehetra, mba hitohy foana ny asa ao amin’ny Betela. Tsy maintsy afindra amin’ny trano vonjimaika, ohatra, ny Betelita rehefa havaozina ny trano ipetrahan’izy ireo. Dimy taona ny faharetan’ilay tetikasa, raha ny vinavina.

Mahatratra 75 000 metatra toradroa eo ho eo ny haben’ilay faritra hohavaozina, ka tafiditra amin’izany ny birao rehetra sy ny trano fonenana misy efitra 650. Hiasa tsara kokoa ireo tranon’ny sampana rehefa hohavaozina, sady ho azo ovaovana mifanaraka amin’ny zava-misy. Rindrina azo esorina, ohatra, no hatao amin’ireo birao, amin’izay azo ovana haingana ny paozin’ilay toerana raha ilaina izany. Hasiana lakozia kely sy toerana fanasan-damba ny efitra tsirairay amin’ny trano fonenana. Hisy fitaovana maoderina sy miaro ny tontolo iainana koa hapetaka, mba hampihenana ny fandanian’ny sampana amin’ny resaka rano sy herinaratra.

Trano vonjimaika no hipetrahan’ireo rahalahy sy anabavy hiasa an-tsitrapo amin’ilay tetikasa, ary ao amin’ny faritry ny Betela ihany ilay izy. Misy trano iray fitehirizana entana, ohatra, navadika ho trano fonenana misy efitra 25. Misy kaontenera 91 koa navadika ho trano fonenana vonjimaika, ao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’ny Betela, eo akaikin’ny tranon’ny sampana.

Kaontenera navadika ho trano fonenana vonjimaika ho an’ny mpiasa an-tsitrapo

Anisan’ny mpanao fanorenana mandray anjara amin’ilay tetikasa ny Rahalahy Joel Grigor. Hoy izy: “Tsy hoe manao izay handrosoan’ilay tetikasa fotsiny ny fandaminan’i Jehovah fa mampiofana ny vahoakany koa. Zara raha manana traikefa amin’ny resaka fanorenana ny ankamaroan’ny mpiasa an-tsitrapo tonga eto, ary misy aza tena tsy mahay mihitsy. Betsaka anefa ny fampiofanana azon-dry zareo, dia izao ry zareo indray no mampiofana ny hafa.”

Matoky isika fa homen’i Jehovah fitahiana be dia be ny vahoakany, satria ‘manolo-tena an-tsitrapo’ hanao an’io tetikasa io sy ny tetikasa fanorenana hafa.​—Salamo 110:3.