Hijery ny anatiny

10 DESAMBRA 2019
BREZILA

Ezaka Manokana Nitoriana Tany Ambanivohitr’i Brezila

Ezaka Manokana Nitoriana Tany Ambanivohitr’i Brezila

Vavolombelon’i Jehovah an’aliny no nanao ezaka manokana mba hitoriana momba ny Baiboly amin’ny olona any ambanivohitr’i Brezila. Nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2018 ilay ezaka manokana ary mitohy hatramin’ny 31 Desambra 2019. Mpitory 80000 mahery izay no efa nandray anjara tamin’io ezaka manokana io, ary fampianarana Baiboly 16000 mahery no efa natomboka.

I Brezila no firenena fahadimy lehibe indrindra eran-tany. Tombanana ho 28 tapitrisa eo ho eo amin’ny mponina any no mipetraka any ambanivohitra. Ankoatra izany, dia misy 22 tapitrisa ny mponina any amin’ny tanàna mitokana. Faritany 1600 mahery no efa nanaovana ezaka manokana. Ny mpitory sasany aza tsy maintsy nanao dia 2000 kilaometatra mahery mba hitadiavana olona.

Nahita lehilahy be taona teo am-pikarakarana kafe vao avy nalainy ny mpitory iray. Nampandrosoin’ilay lehilahy ilay mpitory. Nantsoiny ny vadiny sady hoy izy: “Avia fa hiresaka momba ny Baiboly amintsika, hono, izy.”

Nametraka fanontaniana be dia be amin’izay izy mivady, ohatra hoe manao ahoana ny maty, nahoana ny olona no avelan’Andriamanitra hijaly, mety ve ny mandoa ampahafolon-karena, ahoana no handaminana ny olana ao an-tokantrano. Gaga be ilay lehilahy fa novalian’ilay mpitory avy tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniany. Nilaza izy fa vao ny marainan’io izy no nivavaka tamin’Andriamanitra hoe mba ho voavaly ihany ve ny fanontaniana be dia be manahiran-tsaina azy. Ny harivan’iny ihany izy mianakavy dia nanatrika fivoriana, ary mbola manohy mianatra Baiboly izy ireo izao.

Nitory isan-trano ny mpitory tany amin’ny toerana iray ary avy be ny orana. Lasa nialoka tao amin’ny toeram-pitsaboana ho an’ny besinimaro àry izy ireo. Nahita mpianaka tao izy ireo ary nanontaniany hoe inona no mba tian’izy ireo hanontaniana an’Andriamanitra. Nilaza ilay zanany vavy hoe efa maty ny bebeny dia te hahita azy izy. Namaky andinin-teny momba ny fitsanganana amin’ny maty àry ny mpitory dia avy eo nampiseho video hoe Kely Sisa dia Hatsangana ny Maty!

Nitsidika an’ilay vehivavy tany an-tranony ny mpitory taorian’izay ary nianatra Baiboly ilay vehivavy sy ny fianakaviany. Namonjy fivoriana tany amin’ny tanàna teo akaiky teo izy sy ny zanany ary mbola mianatra Baiboly an-telefaonina izy ireo izao.

Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe hisy olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra “hatrany amin’ny faran’ny tany.” Hita amin’ilay ezaka manokana any ambanivohitr’i Brezila hoe tian’i Jehovah ho tanteraka io faminaniana io.—Salamo 72:8.