Hijery ny anatiny

Ankavia: Sarintany mampiseho an’ireo toerana nanaovana an’ilay ezaka manokana naharitra efa-bolana. Sary kely (ankavia miankavanana): Rahalahy sy anabavy mitory amin’ny fiteny wapishana sy chavante ary hunsrik

8 AOGOSITRA 2024
BREZILA

Ezaka Manokana Tany Brezila: Notorina Tamin’ny Fiteny 11 ny Fahamarinana

Ezaka Manokana Tany Brezila: Notorina Tamin’ny Fiteny 11 ny Fahamarinana

Vavolombelon’i Jehovah 1 000 mahery no nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana natao nanerana an’i Brezila, tamin’ny 1 Martsa ka hatramin’ny 30 Jona 2024. Vao haingana no navoaka tamin’ny fiteny 11 ampiasaina any ilay bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, dia niezahana natao taoriana kelin’izay ilay ezaka manokana. Efa ho 300 àry no nangataka hianatra Baiboly.

Anabavy roa mitory amin’ny lehilahy iray miteny hunsrik, any Nova Petrópoli

Nanotany an’ireo mpitory ny vehivavy iray miteny chavante any Campinápolis hoe: “Ianareo ve ilay mamoaka video amin’ny fiteninay? Efa ela be aho no nitady anareo, fa hitako ihany ianareo izao!” Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, hono, izy taloha, fa najanony ilay izy satria tsy azony ny fiteny portogey. Niezaka nitady Vavolombelon’i Jehovah anefa izy rehefa fantany hoe efa misy amin’ny fiteny chavante ny boky sy gazety ary video avoakantsika. Niverina nianatra Baiboly indray àry izy.

Intelo ny anabavy iray no niresaka tamin’ny vehivavy iray miteny poméranien, any Santa Maria de Jetibá. Rehefa niverina fanintelony tany ilay anabavy, dia nitantara ilay vehivavy hoe nivavaka, hono, izy talohan-dry zareo niresaka voalohany. Nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hatorony azy hoe ahoana ny fomba tokony hanompoana azy. Faly erỳ izy hianatra Baiboly.

Nihaona tamin’ny vehivavy iray miteny kaingang, any amin’ny tanàna kely any atsimon’i Brezila ireo rahalahintsika. Mbola tsy naheno momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy io vehivavy io. Namaky ny Salamo 83:18 taminy ireo rahalahy, dia nanazava hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Tena nanohina ny fony ilay izy satria mbola tsy nisy nampianatra, hono, izy hoe manana anarana Andriamanitra. Tonga dia nanaiky hianatra Baiboly izy.

Bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! amin’ny fiteny hunsrik, kaingang, kaiwá, macushi, nhengatu, poméranien, sateré mawé, talian, ticuna, wapishana ary chavante. Natao taoriana kelin’ny nivoahan’ireo ilay ezaka manokana

Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavintsika any Brezila isika hoe be dia be ny olona mianatra momba ny “vaovao tsara mandrakizay” ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka lasa afaka manome voninahitra an’i Jehovah miaraka amintsika.​—Apokalypsy 14:6, 7.