Hijery ny anatiny

Ankavia: Noraisina tsara ireo mpitsidika an’ilay trano heva jw.org. Ambony ankavanana: Anabavy iray jamba sady marenina, miresaka amin’ny alalan’ny tenin’ny tanana ho an’ny jamba sy marenina. Ambany ankavanana: Fampirantiana azo andraisana anjara, mampiseho ny fanazavana ny sary ao amin’ny video ao amin’ny jw.org

5 OKTOBRA 2022
BREZILA

Fampirantiana Iray Tany Brezila Nanentanana ny Kilemaina mba Handray Soa Amin’ny Tranonkala JW.ORG

Fampirantiana Iray Tany Brezila Nanentanana ny Kilemaina mba Handray Soa Amin’ny Tranonkala JW.ORG

Voasa handray anjara tamin’ny fampirantiana iraisam-pirenena tany São Paulo, any Brezila, ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1 ka hatramin’ny 4 Septambra 2022. Resaka teknolojia hanampiana ny kilemaina handray soa sy handray anjara amin’ny resaka tranonkala no nasongadina tao amin’ilay fampirantiana, ary nantsoina hoe Reatech izany. Any Amerika Latinina dia ny Reatech no fampirantiana miavaka indrindra mampiseho ny teknolojia hanampiana ny kilemaina mba handray soa amin’ny tranonkala. Olona 46 000 mahery no nanatrika an’io fampirantiana io.

Nanao trano heva ny rahalahy sy anabavintsika mba hampisehoana ny tranonkalantsika jw.org sy ny programa JW Library ary ny programa JW Library Sign Language. Nisy zavatra elektronika naseho sady azo nandraisana anjara tao amin’ilay trano heva. Nisy mpitory jamba sy tsy dia mahita tsara koa teo nasaina nampiseho ny zavatra misy rehetra ao amin’ilay tranonkalantsika sy ireo programa roa ireo.

Nisy manam-pahaizana amin’ny fanampiana kilemaina tonga teo, dia niteny hoe: “Tena mahavariana hoe misy antokom-pivavahana tena miahy manokana ny kilemaina.” Izao koa no nolazain’ny mpitsidika hafa: “Tena fomba tsara be hanampiana ny olona ho anisan’ny fiaraha-monina izao!”

Nanatrika ny Reatech 2022 koa ny solontenan’ny Fikambanana Ara-panjakana Miahy ny Jamba any Brezila (ONCB). Niteny tamin’ny radio ry zareo nandritra an’ilay fandaharana. Nadinadinina ny rahalahintsika teo amin’ilay trano heva tamin’ny andro nanombohana an’ilay fampirantiana sy tamin’ny andro namaranana an’ilay izy. Nohazavain’ireo rahalahy ireo hoe ahoana no fomba hanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny jamba sy ny tsy dia mahita tsara ary ny marenina, ary tsy hoe any Brezila fotsiny fa maneran-tany mihitsy. Nandritra ny iray tamin’ireo fanadinadinana natao, dia nilaza ny iray tamin’ny solontenan’ny ONCB fa tsy mbola nahita video amin’ny tenin’ny tanana faran’izay tsara hoatran’ny hitany ao amin’ny tranonkala jw.org izy hatramin’izay.

Rahalahy roa nadinadinin’ny Fikambanana Ara-panjakana Miahy ny Jamba any Brezila

Efa hatramin’ny taloha ka hatramin’izao i Jehovah no niahy ny kilemaina. (Levitikosy 19:14) Faly erỳ izao i Jehovah mahita ny Vavolombelony manahaka an’ilay toetrany hoe be fitiavana. Tsy andrintsika ny hahatongavan’ilay fotoana hoe “hatao lasa mahita ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.”​—Isaia 35:5.