Hijery ny anatiny

25 JONA 2020
BREZILA

Fanampiana ny Mpiara-manompo Amintsika any Amazonia

Fanampiana ny Mpiara-manompo Amintsika any Amazonia

Misy vokany be amin’ny toe-karena any Brezila ilay valanaretina coronavirus. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 18 àry ny Komitin’ny Sampan’i Brezila mba hanampiana ny mpiara-manompo sahirana. Fiangonana 12 000 eo ho eo manerana an’i Brezila no karakarain’ireo KVRV ireo, anisan’izany ireo rahalahy mipetraka lavitra, any akaikin’ny Reniranon’i Amazone. Fianakaviana 131 any Amazonia izao no efa nahazo fanampiana hatreto.

Nanomana vatsy ampy ho an’ny fianakaviana tsirairay mandritra ny iray volana ny KVRV any Manaus, renivohitry ny fanjakan’i Amazonas. Nandefasana sakafo izy ireo, ohatra hoe tsaramaso, koba-mangahazo, vary, ary vovo-dronono. Teo koa ny zavatra hafa, toy ny savony, taratasy fitondra any an-kabine, borosy nify ary famotsia-nify. Naterina teo amin’ny seranan-tsambon’i Manacapuru aloha ireo entana ireo, dia avy eo nalefa tamin’ny sambo samihafa, mankany amin’ny toerana lavitra be, ohatra hoe tany Membeca na Lago do Castanho.

Hoy i Marinelma, anabavy mipetraka any Lago do Castanho, rehefa nahazo an’ilay fanampiana: “Tonga aho dia nisaotra an’i Jehovah satria mikarakara anay izy. Tena nila fanampiana izahay satria tsy nanam-bola hividianana sakafo mihitsy. Te hisaotra ny mpiara-manompo koa aho satria tena malala-tanana ry zareo sady be fitiavana. Hitan’ilay zanako lahy kely enin-taona aho namoaka an’ilay entana sy nandamina an’ilay izy, dia noteneniko taminy hoe nampiasa ny mpiara-manompo i Jehovah mba hanampiana anay. Dia hoy ilay zanako: ‘Neny a, andao isika hivavaka dia mba hisaotra an’i Jehovah.’ ”

Nandefa taratasy tany amin’ny KVRV ny rahalahy iray atao hoe Jonas Monteiro, mipetraka any Caapiranga. Hoy izy tao amin’ilay taratasiny: “Tena misaotra betsaka tamin’ny fanampiana nomenareo. Hitanay tamin’ireny hoe tena tia anay i Jehovah. Tombontsoa be mihitsy ilay hoe anisan’ny fianakaviamben’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.”

Na dia ireo rahalahy anisan’ny KVRV aza mba nahazo fampaherezana. Hoy i Isaac Emannuel Ramalho de Oliveira, anti-panahy sady anisan’ilay komity: “Tsapako hoe vao mainka matanjaka ny finoako rehefa miara-miasa amin’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky aho isan’andro. Betsaka kokoa ny fampaherezana azoko raha oharina amin’ny fanampiana azoko atao ho an’ny mpiara-manompo.”

Tena mampahery ny mahita hoe mikarakara ny mpanompony i Jehovah mandritra an’izao fiparitahan’ny valanaretina izao, na aiza na aiza misy azy ireny.—Salamo 94:14.