Hijery ny anatiny

29 OKTOBRA 2019
BREZILA

Nanao Fampirantiana ho An’ny Jamba sy Marenina ny Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ilay Foaran’ny Boky Tany Rio

Nanao Fampirantiana ho An’ny Jamba sy Marenina ny Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ilay Foaran’ny Boky Tany Rio

Nandray anjara tamin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky Andiany Faha-19 tany Rio de Janeiro ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao tao amin’ny Riocentro ilay foara, tamin’ny 30 Aogositra ka hatramin’ny 8 Septambra 2019. Io no hetsika ara-kolontsaina lehibe indrindra any Brezila. Nisy tranoheva 520 tao ary 600000 teo ho eo ny mpitsidika. Nanangana tranoheva iray koa ny rahalahintsika ary naseho tao ny tranonkalantsika sy ny ezaka ataontsika mba hahatonga ny zavatra havoakantsika ho azon’ny olona jerena. Rahalahy sy anabavy 258 no niasa an-tsitrapo teo amin’ilay tranoheva nandritra an’ilay foara izay naharitra folo andro. Boky 3737 no voazaran’izy ireo tamin’ny olona.

Nisy zavatra maromaro natao manokana ho an’ny marenina sy ny tsy maheno tsara ary ny jamba teo amin’ilay tranoheva. Nampiseho video amin’ny tenin’ny tanana brezilianina (LIBRAS) ny rahalahy, ary nisy mpitory mahay tsara ny LIBRAS koa teo mba hanampy ny mpitsidika. Hoy ny mpiasa an-tsitrapo iray: “Nahazo aina tsara daholo izay olona tonga teo aminay fa tsy nisy nisalasala niresaka taminay. Afaka nanazava ny mombamomba ny jw.org sy ny fomba fianarana Baiboly foana ny iray taminay.”

Mpitory jamba, folo taona, manazava amin’ny mpanao gazety hoe nahoana ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny soratra braille no manampy azy

Tonga teo amin’ilay tranoheva ny mpampianatra iray niaraka tamin’ny mpianatra fito marenina. Gaga be izy rehefa nahita video amin’ny tenin’ny tanana ho an’ny tanora, ao amin’ny jw.org. Nilaza izy hoe matetika ny ray aman-dreny manan-janaka marenina no mangataka azy mba hanampy azy ireo hifampiresaka amin’ny zanany momba ny zavatra manokana sy sarotra. Hasainy mijery ny tranonkalantsika izao ny ray aman-dreny manontany azy, amin’ny manaraka.

Anabavy mampiseho boky ara-baiboly amin’ny mpitsidika

Nisy zavatra amin’ny fitenin’ny foko samihafa any Brezila koa tao, ary efa hita ao amin’ny jw.org izy ireo. Anisan’ireo fiteny ireo ny guarani sy ticuna ary xavante. Hoy i Ricardo Carneiro, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tianay hahazo tsara ny Baiboly amin’ny fiteniny ny olona avy amin’ny foko samihafa.”

Ny hampirisika ny olona hamaky teny no tanjon’ilay foaran’ny boky, mba hihatsara ny fiainan’ny olona any Brezila. Afaka ny hanatsara ny fiainany ireo olona an’arivony nankeo amin’ilay tranoheva nanazava ny jw.org, satria afaka mamaky Baiboly sy zavatra hafa amin’ny fiteniny izy ireo.—2 Timoty 3:16, 17.