Hijery ny anatiny

28 DESAMBRA 2020
BREZILA

Nanimba Zavatra Be Tany Santa Catarina any Brezila ny Tondra-drano sy Tany Nihotsaka

Nanimba Zavatra Be Tany Santa Catarina any Brezila ny Tondra-drano sy Tany Nihotsaka

Toerana

La Vallée du Rio Itajaí any amin’ny Faritr’i Santa Catarina, any amin’ny faritra atsimon’i Brezila

Zava-nitranga

  • Nisy oram-be nivatravatra nanomboka tamin’ny 17 Desambra 2020. Nanimba zavatra be ilay izy sady nampisy tany nihotsaka.

Vokatr’ilay rivo-doza tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 22 no nafindra toerana

  • Nampalahelo fa maty ny anabavy zokiolona 65 taona satria nihotsahan’ny tany ny tranony

Trano simba

  • Trano 15 no nisy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Nitondra fampaherezana sy fanohanana ho an’ireo tra-boina sy ny fianakavian’ilay anabavy maty ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy teo an-toerana

  • Nanendry ekipana rahalahy teo an-toerana ny KVRV mba hankany amin’izay tanàna voakasik’ilay izy, dia hijery hoe inona ny fanampiana ilaina any. Nanampy nanadio an’izay trano tratran’ilay tondra-drano koa ry zareo. Nanomana rano madio mihoatra ny 2 000 litatra sy sakafo ho an’ireo mpitory koa ny KVRV. Nanaraka ny fepetra fiarovana tamin’ny COVID-19 izy ireo tamin’izany

Malahelo isika hoe nisy anabavy maty vokatr’ilay loza. Tsy andrintsika ny hahatongavan’ny fotoana hanafoanana ny loza sy ‘tsy hisian’ny fahafatesana intsony.’​—Apokalypsy 21:4.