Hijery ny anatiny

Nanimba zavatra be tao amin’ny tanànan’i Petrópolis ny oram-be sy ny riakam-potaka

23 FEBROARY 2022
BREZILA

Nanimba Zavatra Be tao Amin’ny Tanàna Iray any Brezila ny Oram-be sy ny Riakam-potaka

Nanimba Zavatra Be tao Amin’ny Tanàna Iray any Brezila ny Oram-be sy ny Riakam-potaka

Nisy oram-be tany Petrópolis, tanàna iray any Rio de Janeiro, any Brezila, tamin’ny 15 Febroary 2022. Niteraka riakam-potaka nahafaty olona ilay izy. Betsaka koa ny trano sy ny fivarotana rava. Nahatratra 26 santimetatra ny rotsakorana tao anatin’ny 24 ora, ary sambany vao nisy hoatr’izany.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Rahalahy 1 no naratra mafy ary nentina tany amin’ny hopitaly teo an-toerana. Mampalahelo fa lasan’ny riakam-potaka ny zanany lahikely 2 taona ary maty

  • Nisy rahalahy 1 koa maty

  • Mpitory 86 no nafindra toerana

  • Trano 2 no rava

  • Trano 15 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 2 no nisy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray no natsangana mba handamina ny fikarakarana tra-boina

  • Manome sakafo, rano, akanjo, ary fampaherezana ho an’ireo mpiara-manompo tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ireo anti-panahin’ny fiangonana

  • Mipetraka any amin’ny havany na any amin’ny fianakaviana Vavolombelona hafa aloha ireo rahalahy sy anabavy nafindra toerana

  • Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo manampy tra-boina

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’iny loza iny isika. Fantatsika koa hoe ‘hampionona ny fon’izy ireo’ i Jehovah ary ‘hampahery azy ireo’, indrindra fa ireo namoy havan-tiana.​—2 Tesalonianina 2:16, 17.