Hijery ny anatiny

Simba be ny Efitrano Fivoriambe tany amin’ny tanànan’ny Recife, any amin’ny Fanjakan’i Pernambuco, any Brezila

10 JONA 2022
BREZILA

Nisy Tany Nihotsaka sy Tondra-drano Nandrava an’i Brezila

Nisy Tany Nihotsaka sy Tondra-drano Nandrava an’i Brezila

Nisy oram-be nahatonga tondra-drano sy tany nihotsaka tany avatratsinanan’i Brezila nanomboka tamin’ny 25 Mey 2022. Ny tany Alagoas sy Pernambuco no tena voa mafy. Tanàna 42 tao amin’ireo toerana ireo no nila fanampiana vonjy rano vaky. Olona maherin’ny 145 000 no nafindra toerana, ary 129 fara fahakeliny no maty.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy maty ny rahalahy sy anabavintsika

  • Mpitory 3 no naratra kely

  • Trano 280 no nisy simba kely

  • Trano 22 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 23 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 1 no simba be

Fanampiana tra-boina

  • Mpitory 600 mahery no nahazo ny zavatra nilainy sy nahazo fampaherezana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra avy tamin’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky

  • Nanaja ny fepetra fiarovana tamin’ny valanaretina COVID-19 ny olona rehetra nanampy tamin’ilay fanampiana vonjy rano vaky

Mivavaka isika mba ‘hahazo hery avy amin’ny Tompo’ foana ny mpiara-manompo amintsika niharan’io loza io.​—Efesianina 6:10.