Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Hamilton Vieira miaraka amin’ny mpandika teny iray amin’ny tenin’ny tanana. Nitehaka ny mpanatrika rehefa nilaza izy hoe nivoaka ny Baiboly amin’ny Tenin’ny Tanana Brezilianina

26 SEPTAMBRA 2022
BREZILA

Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Brezilianina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Manontolo

Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Brezilianina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Manontolo

Nampandrenesin’ny Rahalahy Hamilton Vieira, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Brezila, tamin’ny Alahady 18 Septambra 2022 fa efa azo alaina ao amin’ny jw.org sy ao amin’ny programa JW Library Sign Language ny Baiboly Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo. Nalefa avy tany amin’ny efitrano lehibe iray tao amin’ny biraon’ny sampan’i Brezila ilay fandaharana, dia afaka nanaraka nivantana an’ilay izy tamin’ny Internet ny mpanatrika. Olona 36 300 mahery no nanatrika an’ilay izy.

Rahalahy sy anabavy maka sary sady mampiseho an’ilay Baiboly amin’ny Tenin’ny Tanana Brezilianina ao amin’ny telefaoniny sy tablette-ny

Sambany vao nisy Baiboly manontolo tamin’ny Tenin’ny Tanana Brezilianina. Tsy misy afa-tsy anankitelo ny Baiboly manontolo amin’ny tenin’ny tanana eran-tany, ary io Baiboly vao nivoaka io no farany. Tamin’ny 2006 no natomboka ilay tetik’asa fandikan-teny, dia ny Filazantsaran’ny Matio no nisantarana azy. Tonga dia navoaka izay boky ao amin’ny Baiboly voadika tatỳ aoriana.

Nilaza hoatr’izao ny anabavy marenina iray atao hoe Angellyca: “Niezaka namaky Baiboly tamin’ny teny portogey aho taloha. Tsy tena azoko tsara ny zavatra lazain’ilay izy. Azoko tsara daholo anefa izao ny zavatra lazain’ity Baiboly amin’ny Tenin’ny Tanana Brezilianina ity, dia lasa hoatr’ireny hoe miaina ao anatin’ilay tantara ireny mihitsy aho!”

Mpandika teny amin’ny Tenin’ny Tanana Brezilianina maka video ny zavatra adikan-dry zareo ao amin’ny studio

Tamin’ny 1982 no nisy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny tenin’ny tanana voalohany tany Rio de Janeiro. Misy 9 500 eo hoe eo izao ny fitambaran’ny mpitory any amin’ireo fiangonana Tenin’ny Tanana Brezilianina 246 sy antoko-mpitory 337 ary antoko-mpitory santatra 63.

Ny fivoahan’io Baiboly io no mampiseho hoe tena tia an’ireo rahalahy sy anabavy marenina i Jehovah. Enga anie mba hanampy olona be dia be hahalala an’i Jehovah sy ny Zanany io fanomezana sarobidy io sady hanampy azy ireo hahita ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.​—Jaona 17:3.