Hijery ny anatiny

18 JOLAY 2019
BREZILA

São Paulo, Brezila: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

São Paulo, Brezila: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 12-14 Jolay 2019

  • Toerana: São Paulo Expo any São Paulo, Brezila

  • Fiteny: Anglisy, espaniola, frantsay, italianina, portogey, tenin’ny tanana brezilianina

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 36624

  • Tontalin’ny natao batisa: 291

  • Solontena avy any ivelany: 7000

  • Sampana nasaina: Angola, Arzantina, Belzika, Etazonia, Frantsa, Italia, Mozambika, Portogaly, Skandinavia, Slovaquie-Tchéquie, Suriname, Trinité sy Tobago, Venezoelà

  • Fitantarana: Hoy Rtoa Maria Luiza Gonçalves, talen’ny fifandraisana ao amin’ny São Paulo Zoo, izay nandray an’ireo vahiny tonga nitsidika: “Efa imbetsaka izahay no mandray vahiny ato amin’ity toeram-pijerem-biby ity. Misy mpizaha tany tonga foana ato mandavantaona, fa mbola tsy nahita olona be dia be sy sariaka ary milamina tsara hoatr’anareo aho. Tena be fitiavana ianareo! Hita hoe mifankatia ianareo rehefa mifamihina sy tsara fanahy ary miara-mihira.”

 

Miarahaba tonga soa an’ireo vahiny ao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Guarulhos, any São Paulo

Manao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny rahalahy efatra avy ao São Paulo sy ny biraon’ny sampan’i Brezila mba hampahafantarana ny olona hoe hisy fivoriambe iraisam-pirenena

Mpitory ao São Paulo miara-manompo amin’ny vahiny

Eo ivelan’ilay toerana hanaovana fivoriambe, ny andro voalohany amin’ilay fivoriambe

Mandray an-tsoratra ny hevitra mahaliana azy ny rahalahy sy anabavy

Manao ny lahateny famaranana zoma ny Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana

Rahalahy manao batisa, ny asabotsy

Anabavy mandika teny ho an’olona marenina sady jamba

Vahiny maka sary eo ivelan’ilay toerana hanaovana fivoriambe

Manofahofa tanana amin’ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro manokana avy any ivelany, tamin’ny faran’ny fandaharana ny alahady