12 FEBROARY 2019
BREZILA
Tohodrano Vaky Tany Brezila
Vaky tamin’ny zoma 25 Janoary 2019 ny tohodrano ao amin’ny toeram-pitrandrahana iray any Brumadinho, ao amin’ny faritanin’i Minas Gerais, any Brezila. Nisy riakam-potaka nampidi-doza nentin’ilay izy ka olona 150, fara fahakeliny, no maty ary 182 no tsy hita popòka.
Misy Vavolombelon’i Jehovah 180 eo ho eo ao amin’ireo fiangonana roa any Brumadinho. Maro amin’ireo mpitory ireo no miasa ao amin’ilay toeram-pitrandrahana. Rahalahy folo no niasa tao amin’ilay toerana, tamin’ny fotoana nahavaky an’ilay tohodrano. Tsy naninona ny sivy tamin’izy ireo, saingy rahalahy iray anti-panahy no tsy hita hatramin’izao. Fianakaviana Vavolombelona dimy koa, fara fahakeliny, no tsy maintsy niala ny tranony ary ny iray tamin’ny tranon’izy ireo no rava tanteraka.
Nitsidika ny mpiara-manompo tratran’ilay loza ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Brezila sy ny mpiandraikitra ny faritra mba hampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly sy hanome fanampiana. Enga anie ilay Raintsika any an-danitra ka hanome fampiononana an’izay rehetra tratran’iny loza iny sy hanohana azy ireo foana!—Romanina 15:5.