Hijery ny anatiny

Ilay foibe vaovao fianarana Baiboly any Cabreúva, any Brezila. Ambony ankavanana: Mpianatra mandray anjara mandritra ny fianarana

20 DESAMBRA 2023
BREZILA

Trano Vaovao Fianarana Baiboly any Brezila

Trano Vaovao Fianarana Baiboly any Brezila

Notokanana tamin’ny 3 Desambra 2023 ny foibe vaovao fianarana Baiboly, any Cabreúva, any Brezila. Ny Rahalahy Eduardo Martines, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Brezila no nanao ny lahateny fitokanana, tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tany an-toerana. Rahalahy sy anabavy 2 400 mahery no nanatrika mivantana an’ilay fitokanana, dia nisy 4 900 mahery koa no nanaraka an’ilay izy tamin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Ankavia: Rahalahy Eduardo Martines manao lahateny fitokanana. Ambony ankavanana: Mpanatrika an’ilay fitokanana. Ambany ankavia: Mpampianatra nandritra ny taona maro nohadinadinina nandritra an’ilay fandaharana

Hanaovana Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana sy Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny no tena hampiasana an’io trano vaovao io. Antonona kilasy telo indray miaraka ilay izy, ary afaka mandray mpianatra efa ho 600 isan-taona.

Mpampianatra mametraka fanontaniana mandritra ny fianaranas

Nividy hotely iray ny rahalahintsika tamin’ny 2020, dia nanova an’ilay izy ho lasa trano fianarana Baiboly. Nanaraka ny fitandremana momba ny valanaretina COVID-19 ny mpiasa an-tsitrapo tamin’ny nanamboatra an’ilay izy. Rehefa vita àry ilay asa, dia lasa nisy efitra fianarana 3, efitra fonenana 54, efitra fisakafoana iray, ary birao. Navela ho azon’ny olona tsidihina ilay izy tsy ela taorian’ilay fanamboarana. Tiantsika hahafantatra momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asa fampianarana Baiboly ataontsika mantsy ny olona eo amin’ny manodidina an’ilay izy, anisan’izany ny manam-pahefana. Hoy ny manam-pahefana iray nitsidika an’ilay trano: “Tena faran’izay tsara ity asa nataonareo ity. Tokony hatao tsara hoatr’izao mihitsy ny zavatra ho an’Andriamanitra.”

Ankavia: Efitra fandraisana olona ao amin’ilay trano fianarana. Ankavanana: Efitranon’ny mpianatra

Hoy ny Rahalahy Rogério Braganholo, anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanavaozana an’ilay trano: “Vao nanomboka ity tetikasa ity dia efa hitanay hoe nanohana anay i Jehovah. Dia rehefa nahatsapa izahay hoe notahiny, dia vao mainka tsapanay hoe marina ilay voalazan’ny Salamo 127:1 hoe: “Raha tsy i Jehovah no manao ny trano, dia ho very maina ny asa mafy ataon’ny mpanorina azy.”

Faly isika fa nahazo an’io trano vaovao natao hianarana Baiboly io ny rahalahy sy anabavintsika any Brezila, dia vao mainka ho be dia be amin-dry zareo no ho afaka mampitombo ny ‘fahaizany mampianatra.’​—Titosy 1:9.