4 JANOARY 2022
BREZILA
Tratran’ny Tondra-drano ny Faritra Avaratratsinanan’i Brezila
Nisy oram-be tany amin’ny Fanjakan’i Bahia, any Brezila, tamin’ny 24 ka hatramin’ny 26 Desambra 2021. Tondraka ny rano vokatr’izany, ary olona 640 000 mahery no tratran’ilay izy. Vaky ny tohodrano ka be dia be ny tanàna dibo-drano sy lasa nitoka-monina satria tsy nisy lalana intsony.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika naratra
Mpitory 273 no tsy maintsy nafindra toerana
Trano 109 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana 3 no nisy simba kely
Fanampiana tra-boina
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) iray no natsangana mba hizara sakafo sy rano ary akanjo
Mipetraka any amin’ny havany na any amin’ny mpiara-manompo aloha izao ireo mpitory tsy maintsy nafindra toerana
Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo mikarakara fanampiana
Hoy ny Rahalahy Marcelo Ambrósio, anisan’ny KVRV: “Tena mampahery anay ny mahita ny fitiavana asehon’ireo rahalahy sy anabavy, ka vao mainka izahay tapa-kevitra ny hanompo bebe kokoa an’i Jehovah.”
Matoky isika fa ho “fialofana azo antoka” ho an’ireo rahalahintsika tratran’iny loza iny i Jehovah.—Salamo 9:9.